airtel

Toekarena

20-avril-2022

Toekarena

Fihaonana amin’ny mpamatsy vola Betsaka ny toky fa hanao ahoana ny vokatra ?

Sample post image

Nihaona tamin'ny filohan'ny Banky Iraisam-pirenena David Malpass sy ny Tale jeneraly ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) Kristalina Georgieva ny filoham-pirenena Malagasy Rajoelina Andry,

20-avril-2022

izay any Washington DC Etazonia. Tafitiditra ao anatin'ilay fihaonana an-tampony mikasika ny famatsiam-bola, Spring Meetings 2022 io na ny Fihaonam-be lohataona iarahan’ny Firenena Mikambana, Baky Iraisam-pirenena, Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Isan’ny nanamarika ny dian’ny delegasionina Malagasy tarihi’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola ny fivoriana notarihin'ny Filoha Lefitry ny Faritra Afrika Hafez Ghanem. Niompana ho amin'ny fanavaozana hanatsarana ireo seha-pihariana stratejika ny valandresaka toy ny fanatsarana ny fisitrahana herinaratra ho an'ny sehatry ny Angovo. Ho an'ny fifandraisan-davitra kosa dia ho atao laharam- pahamehana ny fahafahan'ny daholobe hisitraka ny internet: hojerena akaiky ihany koa ireo fanamby ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro ho an'ny sehatry ny Tontolo iainana ary ny fanafainganana ny fanaovam- bakisiny ny vahoaka ho an'ny sehatry ny Fahasalamana. Nomarihin'ny eo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena ny ezaka vitan'i Madagasikara amin'ny fangaraharana ara- pitantanana ary vonona hatrany izy ireo hiroso amin'ny dinika mahakasika ny famatsiam-bola manaraka ho an'ny firenena, hoy ny Fanjakana. Tena nisy fangaraharaham-pitantaana ve teto ? Taorin'ireo fihaonana tamin'i Idah Z.Pswarayi- Riddihough, Talen'ny fandraharahana ao amin'ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny Comores, Madagasikara, Maurice, Mozambika; Atsinanana sy Atsimon'ny Afrika sy i Hafez Ghanem, Filoha Lefitry ny Afrika, nihaona tami’i Sergio Pimenta, Filoha Lefitry ho an'ny Faritra Afrika ao amin'ny IFC (Société Financière Internationale) ihany koa. Niompana indrindra tamin'ny fanampian'ny IFC an'i Madagasikara amin'ireo tetik'asa fampandrosoana ny dinika. Nanentana ihany koa izy ny hampitombon'ny Fanjakana Malagasy ny fiaraha-miasa efa misy mba hanatratrarana haingana kokoa ireo tanjona napetraka. Namporisika an'í Madagasikara hisokatra bebe kokoa amin'ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ny IFC indrindra ireo orinasa kely sy salantsalany (PME), hoy y tatitra. Sehatra maro no iasan’io IFC io, toy ny : fambolena, ny fitaterana, ny fifandraisan-davitra, ny harena an-kibon'ny tany, ny angovo ary ny fiatiana ara- bola,… Betsaka ny toky sy ny fampanantenana, fa tena hivadika ho asa mivaingana sy azo tsapain-tànana ve ? Efa betsaka izay fifampiresahana sy fampananantenana, ary fifanaovan-tsonia izay, fa ny vokatra aloha mbola tsy tena misongadina. Indraindray rahateo mihitsoka an-dàlana noho ny tsy fahaiza-mitantana, ka dia andrasana indray izany ny tohiny.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap