herinandro eto Antananarivo ny fitsirihana faha-3 sy faha-4 amin’ny programan'asa FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy ny FRD (Fond pour la Résilience et la Durabilité). Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, no nandray ny delegasiona avy amin’ny Fonds Monétaire International (FMI) tarihin’i Constant Lonkeng Ngouana, niaraka tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Solika, M. Rabearimanga Radonirina Lucas, ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy M. Andriatsihala Nolave Luck Aristide, ary ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, M. Andrianarivelo Aivo, miaraka amin’ireo ekipa ara-teknika voakasika. Tamin’ity fihaonana voalohany ity, nisy fifanakalozan-kevitra lalina momba ny fandrosoana nambra ho efa tratra tamin’ny taona 2025, ny fanamby mbola miandry, ary ny torolalana stratejika hoenti-manohy ny fanavaozana. Naverina mazava ny tanjona: hamafisina maharitra ny fitoniana ara-toekarena sy ara-bola, ary ny olom-pirenena no apetraka ho ivon’ny politika ampiharina. Laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny fanamafisana ny fidiram-bola anatiny, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandaniana ho an’ny daholobe, ny fanamafisana ny fitantanana sy ny mangarahara, ny fiarovana ny fitoniana ara-bola sy ara-bola, ary ny fampidirana ny olana ara-tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro ao anatin’ny fitantanam-bola ho an’ny daholobe. Ireo no heverina hanohanana ny fitomboana mirindra sy maharitra, izay mitondra tombontsoa ho an’ny rehetra. Ny programa FEC sy FRD, izay mandritra ny taona 2024–2027, dia heverina ho antoky ny fanovana ara-drafitra eto Madagasikara. Na dia mbola misy aza ny fanamby, dia naverin’ny manampahefana ny fahavononana hanohy ny ezaka amin’ny fomba mirindra sy mandrindra, mba hahafahana manome lanja tanteraka ny harenan’i Madagasikara sy hananganana toekarena maharitra sy mahazaka ny fiovana. Raha hiverenana, eo amin’ny 660 tapitrisa dolara eo mandritra ny 4 taona eo ny vola azo amin’ireo fandaharan’asa ireo, izay efa nisy ampahany azo. Tena namaha ny olan’ny Firenena ve anefa ? Ny fisitrahana io vola io dia arahina fepetra toy ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy, fampihenana ny fanohanana ara-bola ny Jirama sy ny orinasam-panjakana,… Hatreto dia karazana fitazonan’aina amin’ny resaka volam-panjakana sy ny lafiny sosialy. Voatery hiandry fanampiana fitserana ho an’ny tany mahantra tahaka itony ve isika raha tsara tantana ny Firenena sy ny harem-pirenena ? Tsy afaka mametraka fanamby ve isika fa afaka 5 na 10 taona ohatra dia afaka ny hanana fahamarinan-toerana ara-bola sy ara-toekarena ?
Toky R