tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Toekarena

Fitakian-ketra mihoampampana “Natao hovaliana ka raha voavaly ara-dalàna dia foana”

Nampikorapaka mafy ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina ny taratasin-ketra avy amin’ny Foibem-pitantana ny hetra mikasika fanintsiana ara-ketra na “redressement fiscal”.

09-févr-2023

Sample post image

Tany amin’ny desambra 2022, ohatra, ny 56 tamin’ireo orinasa 114 mpikambana tamin’ny Vondron’ny orinasa afakaba sy ny mpiara-miombon’antoka aminy (GEFP), dia nahazo an’io taratasy io avokoa, ary nahatratra 550 miliara Ar zany satria manodidina ny 10 miliara Ar isaky ny orinasa teo. Nilaza kosa omaly ny Tale Jeneralin’ny hetra Atoa Gérmain, fa zavatra fanao isan’andro ny fampahafantarana ny fanintsiana ara-ketra mba hisian’ny fanarahan-daloàna. Ny “redressement fiscal”, hoy izy, tsy natao hampatahaotra fa natao hovaliana, tsy natao hampihorohoro ny orinasa. “sytème declaratif” ny antsika, ka anjaran’ireo orinasa ara-toekarena no manao fanambarana, ary ny sampan-draharahan’ny hetra kosa no mijery hoe: mitombona sa tsia. Ny hafatra hapetraka amin’ireo orinasa naharay “notification de redressement” izany dia tsy tokony ho taitra na hipanika, fa natao hovaliana, ka raha voavaly ara-dalàna dia foana ilay “redressement”, hoy izy, izay nanamarika fa mbola manana fotoana ahafahana manao izany ireo orinasa. Nilaza hametraka rindram-baiko hahafahana mamoaka azy mialoha any amin’ny volana jona any ho any ny Foibem-pitantana ny hetra mba hialana amin’ny fahatarana. Ny an’ny taona 2019 no noraisina tamin’ny faran’ny 2022 amin’io resaka hetra io. Marihina fa notanterahina omaly 08 febroary 2023 tao amin’ny foiben’ny SIM Analakely ny Atrikasa fampahafantarana ny fametrahana ny Ivon-toeram-pintantanana nankatoavina ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany, izay fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Sampan-draharahan’ny Hetra sy ny Conseil Supérieur de la Comptabilité (CSC), ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho any Fampandrosoana (PNUD), ary ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM). Navohitran’ny Tale Jeneralin’ny hetra fa manao ny ezaka rehetra ny eo anivon’ny Ivon-ketra mba hahafahan’ireo mpandraharaha miditra sy hijanona amin’ny sehatry ny ara-dàlana, ary vonona hatrany ny hanome fihofanana amin’ny resaka hetra raha toa ka ilan’ireo mpandraharaha ireo izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ala nenina farany ilay BTS Mety hamidy ny Jirama raha tsy tafavoaka…
02-juin-2023

Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena

Card image cap
Banky sy MVola Lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola
02-juin-2023

Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na

Card image cap
Tsenabe ho an’ny fetin’ny reny Nisokatra omaly ny la grande braderie de Madagascar
02-juin-2023

Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny

Card image cap
Fifanakalozana ara-barotra eto Afrika Fanamby ny hahatanterahan’ny ZLECAF
01-juin-2023

Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana

Voir plus