airtel

Toekarena

10-août-2021

Toekarena

Fitondrana Rajoelina Hamaky ady amin’Ambatovy sy ny QMM indray ?

Sample post image

Nandritra ny fandaharana manokana nataony ny alahady 8 jolay lasa teo no namerenan’I Andry Rajoelina ny efa voalaza nandritra Fikaonan-doha PEM SUD ny fiandohan’ny jona,

10-août-2021

 fa ny Orinasa QMM mpitrandraka fasimainty sy “Zircon” dia 17 taona izao no nitrandraka nanomboka ny 2004. « Lazaina fa 20%, ny petra-bolan’ny Fanjakana, saingy tao anatin’izany mbola tsy nizara “dividende” na 1 dolara aza, hoy I Andry Rajoelina. Toy izany ihany koa Ambatovy, ary isika dia firenena faharoa mamokatra Nikela sy kobalta. 8 dolara ny nikela, ary efa 19 dolara aminizao. Ny “taxe” dia 2%, ary mbola misy niala aza dia 1,40%, hoy ny Filoha. Tsy izaho no nanao an’ireo, ary ny fiarovako ny Tombotsoan’ny Malagasy no ananako olana », hoy I Andry Rajoelina. Nambarany fa izay nanao Sonia an’ireny dia mitsotsotra. Ny volana jona no efa nilaza ny Fanjakana fa manan-karena ny faritra Atsimo, fa aiza ho aiza tokoa ny vokatra ahafahana mampandroso ny faritra Asimo. Nisy fitrandrahana nanomboka 20 taona izao eto Taolgnaro, fantatsika ny QMM, fa fanontaniana mipetraka hoe : aiza ho aiza ary mankaiza ny vokatr’ireny ? Nitondra fampandrosoana ho an’ny faritra ve sa tsy misy ? Fanontaniana mila valiny izany, hoy I Andry Rajoelina. Vao tonga teo ny Fanjakana Rajoelina, dia efa nilaza hampanao “audit” ity orinasa ity, ka isan’ny nivoitra tamin’izany ny resaka petra-bolan’ny Fanjakana, ka asa na aiza ho aiza ilay “audit”. Manana ny kajikajiny ny Fanjakana hoe: raha misy ny orinasa lehibe iray mitrandraka, dia misy volabe tokony ho azo mba ho tamberim-bidy ho an’ilay faritra sy ny Fanjakana. Mety mitombina sy marina izany, ary zon'ny Fanjakana izany. Nisy fifanarahana anefa tao, ka ho sahy sy ho avy amin’ny angady sy ny harona ary ve ny Fanjakana Rajoelina hanao tsindry sy hiady amin’ny hanaovana fanintsiana na “revision” izay matetika ny “litige” amin’ireny dia tsy ny Fitsarana eto no mandray an-tànana azy ? Voalanjalanjan’ny mpitondra ve fa nitondra volabe ireo tonga teto ary sao mihidy anaty rindrina 4 amin’ilay hoe 1 na 2% ny tamberiny, fa ny ankoatra ny famoronan'asa dia karazana hetra maro be tsy voaresaka satria miantoka ny 27% amin’ny fampidiran-ketra be indrindra eto Madagasikara ny iray amin’ireo? Ny fanjakana Malagasy ve hanome asa olona 10 000 vetivety any Tolagnaro raha lasa ny QMM? Toy izany ihany koa ny any Ambatovy izay vao avy nandalo krizy lalina ary hita ny fiantraikany na ara-toekarena na tamin’ny mpiasa ?

ARY MBA NANAO AHOANA MOA I SOALALA ?
Matetika resahin’i Andry Rajoelina foana ny QMM sy Ambatovy, ary tsy hoe miaro an’ireo fa fomba fijery fotsiny ny antsika hoe: fa mba manao ahoana ihany koa ary ny fitrandrahana vy tao Soalala tamin’ny tetezamita niarahana tamin’ny Wisco? Nitondra inona tany amin’io Faritra io sy ny firenena ? Nisy ny ampamoaka nataon’Atoa Serge Zafimahova ny desambra 2018, fa 200 tapitrisa euros ny vola azo tamin’ny Wisco. Ny Banky sinoa Exim Bank no namindra ny vola tao amin’ny Banky Foibe. 100 tapitrisa euros no nanaovana fanambarana fa tsy 200, hoy Atoa Serge Zafimahova. Nakany am-paosinin’iza izany ny 100 tapitrisa dolara ? Mba nitondra famoronana asa toy ireo orinasa tsikeraina ankehitriny sy voka-tsoa ho an’ilay faritra ve sa natao tantely afa-drakotra fotsiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap