hakarina 4% ny anjara toerany amin’ny PIB
Anisan’ny tanjona lehibe ara-toekarena ho an’ny governemanta nofaritana ao anatin’ny drafi-panatanterahana (PMO) ny politika ankampoben’ny Fanjakana natolotry ny Praiminisitra omaly ny fomba fitantanana ny harena an-kibon’ny tany sy ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fizarana ny vola miditra ho an’ny Fanjakana sy ny faritra. Araka ny vinavina ara-bola mifototra amin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany na ny « Code minier » vaovao, hiakatra avy amin’ny 0,6 % ho lasa 3,5 % ny anjaran’ny Fanjakana Foibe, izay nambara fa mitondra fiakarana lehibe amin’ny vola miditra mivantana amin’ny kitapombolam-panakana. Ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ny CTD (Collectivités territoriales décentralisées) kosa, ny « ristournes » dia nofaritana ho 1,7 %, mba hampifandray mivantana ny fitrandrahana sy ny fampandrosoana eny ifotony, araka ny tatitra avy amin’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. Fanamby lehibe ho an’ny toekarena ny fampitomboana ny lanjan’ny vokatra eto an-toerana, ka ny PMO dia mikendry ny fametrahana orinasa fanodinana hanamaivana ny fanondranana akora tsy voahodina. Voafaritra ny fe-potoana 20 volana, hatramin’ny faran’ny taona 2027, hanatanterahana ireo fanovana sy hahitana vokatra voalohany amin’ny fitantanana ara-bola. Heverina ho motera mitondra ny fitomboana ara-toekarena ny sehatry ny fitrandrahana, miaraka amin’ny vinavina hampiakatra ny PIB na ny harin-karena faobe ho 4,0 % amin’ny taona 2026. Ny filàna ara-bola ho an’ny fanjakana amin’io taona io dia tombanana ho 1,58 miliara dolara, ka ny paikady dia ny hanatsara ny fidiram-bola avy amin’ny sehatra mineraly sy solika. Nohamafisin’ny Praiminisitra fa ny fanatanterahana dia hiorina amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny fifanarahana, ny fampitomboana ny mangarahara, ary ny ady amin’ny ampihimamba, izay heverina hanatsara ny toetry ny fandraharahana sy hanome antoka ny fahamarinan-toekarena amin’ny sehatra fitrandrahana sy ny fandraharahana. Heverina fa dingana lehibe amin’ny fanovàna ny fomba fitantanana ny harena voajanahary eto Madagasikara ity paikady ity, ary mikendry ny hampifandray mivantana ny fitrandrahana sy ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena, raha tena tanteraka.
Toky R