airtel

Toekarena

11-nov-2021

Toekarena

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Hodinihin’ny Parlemantera Frankofonina

Sample post image

Ho fanomanana ny seminera iarahan’ireo parlemantera amin’ny “Assemblée parlementaire de la Francophonie” (APF)

11-nov-2021

eny amin’ny CCI Ivato ny 11-12 novambra ho avy izao, izay handinihina momba ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy ny miralenta, dia nivory mialoha androany teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ireo solontena avy amin’ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny fitrandrahana, ny avy ao amin’ny APF sy ny loharanon-karena stratejika eto amin’ny Antenimierampirenena omaly 10 novambra 2021, hoy ny fampitam-baovao. Natao izany mba hifampizarana sy ho fampahafantarana ireo olana sedrain’ity seha-pihariana iray ity amin’izao fotoana izao. Nanararaotra izany fotoana izany ny filohan’ny Vaomiera nanaovana antso ho an’ny Fahefana Mpanatanteraka ny amin’ny hamahana ny fikatsoana misy amin’izao. Nivory mialoha ihany koa teny amin’ny Carlton Anosy ny « Réseau des femmes parlementaires » omaly 10 novambra 2021 hatrany mikasika ny anjara andraikitra sy ny vina afaka ho entin’ny vehivavy ampandrosoana ny lafiny politika sy ny toe-karena. Notsongaina manokana ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany toy ny fanentanana afaka ataon’ireo vehivavy amin’ny fandraràna ny fampiasana ny ankizy sy hanajana ny zon’izy ireo, hoy ny fampahafantarana nataon’ny Antenimieram-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap