tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Toekarena

Fitrandrahana vaventy “Manana maodely ratsy amin’io isika”, hoy ny FIMA

Orinasa efa teo hatramin’ny taona 2004 ny Base Toliara, hoy ny Fikambanan’ny masikoro arivolahy na FIMA, izany hoe efa maro ny mpitondra nifandimby niara-niasa taminy.

09-févr-2023

Sample post image

Toliara Sands moa no anarany tamin’izany fa taty aoriana rehefa niova ny tompony dia io lasa hoe Base Toliara io, hoy ny filoha lefitr’ity fikambanana ity, Elia Rabevahiny. Ao Ankilimalinike, distrikan’I Toliara II no misy azy. Nahazo fahazoan-dalana hitrandraka izy ary teo vao fantatr’ireo mponina hoe hay zavatra mihoatra noho ny nifanarahana no heverin’ilay orinasa hatao. 2 na 3 taona lasa teo moa dia nidiran’ny olona mihitsy ilay toerana mba tsy hiasan’ny mpiasa tao. Mandeha ny resabe izao fa hiverina ho sokafana indray ny orinasa ka mahatonga ny tompon-tanana tsy manaiky ary manohitra ny hisokafan’izany amin’izao fotoana izao. Tsy manaiky ny fisokafan’io ny FIMA satria efa manana maodely ratsy amin’io fitrandrahana vaventy na “grande mine” io isika eto Madagasikara. Inona no tena tombontsoa entin’Ambatovy ho an’ny firenena? Fampanantenana tamin’izany fotoana hoe ho foana ny kere rehefa misokatra ny QMM nefa fantantsika tsara fa manomboka eo amin’ny distrikan’Amboasaritra, faritra Anosy, izao ny kere. Hitantsika farany teo koa fa maty hatramin’ny hazan-dranomasina. Ny olona lasa azon’aretina hafahafa. Laharana faha 4 amin’ny hatsarana sy hadiry maneran-tany io fasimainty kasain’ny Base Toliara trandrahana io. Ambony be koa ny tahana oranioma ka risika be noho izany ny mety hiparitahan’ny taratrana “radioactif” na singa miteraka tsy fahasalamana ho an’ny mponina. Misy fomba hafa azo hitondrana fampandrosoana amin’iny faritra iny tsy mamotika ireo mponina, ohatra, toy ny hoe fantantsika fa ny masikoro dia mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena ka izay no tokony tohanan’ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny FIMA.
J. Mirija Legende: Elia Rabevahiny
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ala nenina farany ilay BTS Mety hamidy ny Jirama raha tsy tafavoaka…
02-juin-2023

Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena

Card image cap
Banky sy MVola Lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola
02-juin-2023

Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na

Card image cap
Tsenabe ho an’ny fetin’ny reny Nisokatra omaly ny la grande braderie de Madagascar
02-juin-2023

Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny

Card image cap
Fifanakalozana ara-barotra eto Afrika Fanamby ny hahatanterahan’ny ZLECAF
01-juin-2023

Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana

Voir plus