tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Toekarena

Fizahantany eto Madagasikara “Ho vonoina mihitsy ve?”

Ny 62%n’ny tana na “caméléon” eto amintsika dia tsy misy afa-tsy eto, hoy ny manam-pahaizana momba ny fizahantany, Durlin Retogniane.

03-nov-2022

Sample post image

Rehefa tsy haintsika ny mivarotra an’ireny, hoy izy, dia izay no mahatonga io fanondranana mihoam-pampana io. Toy izany koa ny resaka vorona. Tsy fahita afa-tsy eto ny 52%n’ny vorona eto. Firy ny mpizahantany mijery vorona eto Madagasikara? Io moa no namoahako vokam-pikarohana manokana teny amin’ny anjerimanontolo. Ny 3 volana farany, oktobra, novambra, desambra no tsara hijerena izany eto Madagasikara. Vorona no tena jeren’ireo mpizaha zavaboary eto. Misy miteny hoe misy ny “basse saison” na fotoana maha vitsy ireo mpizahantany dia misy ny “haute saison” izay maha maro azy. Maninona isika rehefa ao anatin’ilay “basse saison” tsy mampisongadina ilay vorona mampisongadina antsika mba hisorohana izay “basse saison” izay? Ny febroary sy martsa izao tsy tokony izany “haute” sy “basse saison” izany satria ireny no mampihetsika na “actif” ireo biby misy kirany na “reptile” toy ny tana, ny voay, ny lezara. Mba firy amintsika no mampahafantatra sy manasongadina izany rehefa tonga ny fihaonambe na “salon” any ivelany? Tsy misy fa dia ohatran’ny mitsangatsangana mihitsy no alehan’ilay olona hanao “salon”. Hanao vakansy! Izany no tena tokony ho asan’ireo masoivoho. Tsy ara-toekarena ihany fa ara-tontolo iainana koa. Inona no mampiavaka antsika? Azo atononon’ireo tekinisianina eto koa ny masoivohon’ireo firenen-kafa eto an-toerana. Ampahafantarina izay misy eto izy dia anjarany koa avy eo ny mampahafantatra an’izany amin’ny olompireneny. Tsy misy politika mazava hitondrana ity fizahantany ity mihitsy. I Maorisy izao voatr’olombelona na “plage artificiel” ny torapasika ao aminy. Manana “Dauphin” izy fa ny ankoatran’izay dia zavatra nafarana daholo. Maninona no vitany ny mampandroso ny fizahantaniny? 1.300.000 no isan’ny mpizahantany tonga any Maorisy isan-taona ary io no tena mampiodina ny toekaren’ny Maorisianina. Ny antsika ¼ an’izay, 350.000. Tsy mba menatra ve isika? 10 martsa 2019 ny filoham-pirenena malagasy no tonga tany Maorisy. Fivoahana voalohany taorian’ny fametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy. Nanoloana ny praiminisitra maorisianina izy no niteny hoe mpizahantany miisa 500.000 no tratrarina ao Madagasikara mialohan’ny 2023. Aiza isika izao? Hifarana ny fotoam-piasany. Sa hitadiavana fialana indray hoe COVID dia Okrainina sy ny karazany? Miala tsiny tompoko! Tsy laharam-pahamehana ny fananganana hotely kintana 5 fa manana harena voajanahary na “biodiversité” kintana 7 na 10 mihitsy aza isika. Rehefa tsy misongadina ireo dia tsy ho feno izany hotely kintana 5 izany, hoy hatrany ny tenany, ary ireo misehatra amin’ny hotely eto aza efa mijaly sa ho vonoina mihitsy ve ilay fizahantany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Madagasikara-Vondrona Eoropeanina Stratejika be ny dinika politika faha-11
26-mai-2023

Hotanterahina eny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 20 jona ho avy izao ny fifampiresahana politika na « Dialogue politique » faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina.

Card image cap
Fanondranana harena an-kibon’ny tany
26-mai-2023

Nampidi-bola 5400 miliara Ar ho an’ny 2022

Card image cap
Lalàna momba ny famatsiam-bola Ohatra tsara azo alain-tahaka ireo firenena miteny Anglisy
26-mai-2023

Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,

Card image cap
Fiarovana ny sehatry ny fandraharahana ara-bola
26-mai-2023

Andraikitra iaraha-manana, hoy i Arizaka Rakoto

Card image cap
Siteny Randrianasoloniaiko «Ity no fitondrana tena namotika ny lavanila…»
26-mai-2023

Nanantena isika mba ho 3 tapitrisa Ariary no vidin’ny lavanila, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Ampanefena – Vohemar, ao anatin’ny faritra SAVA omaly. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, ohatrinona?

Card image cap
Fampiroboroboana ny indostria Hamoaka tondrozotra ny Fanjakana sy ny tsy miankina
25-mai-2023

Tanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry ny 24-26 may ny “Journées de programmation industrielle » eo iarahan’ny

Voir plus