airtel

Toekarena

05-févr-2026

FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR

Ny 40%-n'ny toerana no efa voafandrika

Sample post image

Ny 40%-n'ny toerana mandritra ilay

05-févr-2026

Foire Internationale de Madagascar karakarain' ny Madavision no fantatra fa efa feno ankehitriny ho fampiakarana ny toe-karem-pirenena. Ny datin'ny 07 ka hatramin'ny 10 Mai ho avy izao no hanatontosana izany eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriambe na CCI Ivato raha tsiahivina ka trano eva hatrany amin'ny 350 isa no hiara-handray anjara amin'izany. Andiany faharoa izy ity raha araka ny tafa nataon'ny mpikarakara tamin'ny mpanao gazety omaly teny Antanimena narahin'ny fandraisana ny hetahetan'ity mpandray anjara. Fantatra tamin'izany fa misy mahatratra hatrany amin'ny 200 m2 ny toerana ho an'ny trano eva iray. Hiavaka tanteraka ny FIM ho an'ity taona 2026 ity. Hisy mantsy ny fifampizarana traikefa eo amin'ireo samy mpandraharaha na ilay rencontre B to B mba hahafahan'izy ireo mifampisintona miakatra. Arahina fifampiana ara-toro-hevitra izany mba samy hahazo tombony ny rehetra. Tanjon'ny Madavision ny hanampy ireo mpandraharaha tsy an-kanavaka eto amintsika na ireo vao misondrotra na ny salantsalany eny fa na dia ireo voasokajy efa vaventy aza. Madagasikara mihetsika ara-toekarena no loha-hevitra hitondrana ny hetsika. Hisy ny fialam-boly natokana ho an'ny ankizy sy ny olon-dehibe mandritra izany. Tsy misy ahiana ihany koa ny toeram-piantsonan'ny fiara raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hery, tompon'andraikitry ny Serasera eo anivon'ny Madavision.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

ato ny lalam-barotra miantsinanana»

Card image cap
05-mars-2026

be dia be saingy…»

Card image cap