Heverina fa isan’ny fenitra ahafahana mitsara ny firenena iray ho misandratra na «émergeant» ireo. Izay moa no isan’ny fomba fanasokajiana amin’ny fotoana ankehitriny ny fivoaran’ny firenena isanisany eto ambonin’ny tany, raha ny fanazavan’ny mpahaitoekarena, Dr Olivaniaina Rakoto David, taorian’ny fanasokajiana misy ireo firenena mahantra sy an-dalam-pandrosoana ary mandroso. Matetika heno hatramin’ny taona 2009 ny hoe tsy mila famatsiana avy any ivelany akory fa ny harem-pirenena eto an-toerana dia efa mahavita manavotra antsika. Aiza anefa amin’izao fotoana izao ny fanomezan-danja izany harem-pirenena eto Madagasikara izany, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo azo tsapain-tanana toy ny harena an-kibon’ny tany samihafa? Ny volamena eto mifanesisesy mivoaka an-tsokosoko any ivelany toa notazanim-potsiny foana? Lasa ny 73,5 kilao. Nanaraka indray ny 48 kilao. Ny sasany anatina biraona minisitra sy praiminisitra no avy dia tsy hay hoe tratran’ny maziamazia ve fa tonga dia nivadika vy? Ny trafikana andramena sy voamboana izany moa dia tena nampalaza ny fitondrana tetezamita mihitsy. Ara-toekarena ihany aloha no resaka eto. Mety handroso ve izay lafiny izay raha mitohy izao fomba fitantanana ny harena an-kibon’ny tany sy ny harem-pirenena eto Madagasikara izao?
NY VOLAMENA
Ny volamena moa no tena nalaza tato anatin’ny 5 taona farany na dia efa tany amin’ny taona 1990 tany ho any, ohatra, no nanomboka ny fitrandrahana Safira sy vato sarobidy hafa. Maro amin’ny malagasy koa no tsy mahalala ny tena antony ampiasana io volamena io na dia hazavain’ny mpahaitoekarena matetika aza ny maha zava-dehibe ny fiazonan’izany ny lanja na sandan’ny vola ampiasaina firenena iray. Fa maninona no refesina amin’ny hoe «carat» fa tsy grama? Ankoatran’ny hoe atao firavaka dia inona koa no ilana an’io volamenantsika io? Tena ilaina ve ny nanamboarana 50 Ariary volamena ho mariky ny faha 50 taonan’ny banky foibe? Fanontaniana isan’ny manitikitika izany rehetra izany ary isan’ny nitondra fampianarana sy fanazavana mikasika izay volamena sy harena an-kibon’ny tany eto amintsika izay tamin’ity herinandro ity moa ireto mpisehatra manaraka ireto.
PATRICK RAHARIMANANA
«FITAOVAM-PANDREFESANA VOLA…»
«Taon-jato efa ela no nisy ny hoe "Quirat", teny fampiasan'ireo tatsambo. Fahiny, rehefa olona maromaro no tompon'ny sambo dia nozaraina 24 mitovy ny fananana ilay sambo, «part», hoy isika amin'izao raha orinasa, ka ao ny manana 2 quirats, ohatra, ao kosa ny mihazona ny anjarany 22 quirats ambiny. Nisy ihany koa ny nanao azy io hoe «quarais» sy «caraz», nitsinjarana ny anjara tao anatin'ny fiarahana. Teo amin'ny resaka volamena, fitaovam-pandrefesana vola sy fananana tamin'izany andro izany, dia nozaraina 24 mitovy ny fahadiovan'ny volamena. Isaky ny « carat » izany dia misy volamena madiodio (or pur) 4.17%, ka ny volamena 24 carats izany dia volamena iringiriny 99.99%. Ny volamena pur 100% izany tsy misy, fa ny banky no mandray ny volamena ho «pur», madio tanteraka, rehefa tonga any amin'ny 99.5% ny fatram-bolamena madio ao aminy, izany hoe 24 carats. Malemy anefa ny volamena raha atao firavaka raha 24 carats, izany hoe volamena fotsiny. Dia nafangaro volafotsy, varahina, nickel, na palladium, izay ahazoana volamena karazany samihafa ny lokony sy ny amafiny. 24 carats : «Or pur» 99.5-99.99%, 22 carats : «Or pur» 91.60%, efa azo anaovana firavaka mariazy io, fa mbola malemy ny volamena ka tsy azo asiana diamondra na vatosoa eo aminy. 18 carats : «Or pur» 75%, ito no volamena be mpampiasa indrindra satria efa mafy, mety ahazoana «Or blanc» eo izany, na «Or rose», na «Or jaune», arakaraky ny laro na «alliage» atao aminy. Torak'izay koa ny amafiny, ka ahafahana manao famataranandro, «médaillon», «bracelet», rojo sy kavina samihafa. 14 «carats» : Or pur 58%, efa ambany vidy eo satria tafakatra 41.5% ny volafotsy na varahina ao anatiny, fa ahavitana firavaka tsara sady mafy. 9 carats : «Or pur» 37.5%, efa mora vidy eo izany, satria efa 62.50% ireo metaly hafa fangaro atao aminy. Tsy mitovy amin'ny «plaqué or» izany eto. Ny «plaqué or», dia ny ao anatiny no volafotsy na «laiton», fa rakofana fonony volamena 18 na 14 carats tanteraka eo amboniny. Tsy maintsy manana tevina volamena mandrakotra azy manontolo eo amin'ny 3 microns eo izy vao azo lazaina hoe "plaqué or". Ho an'ny volamena, io no fandrefesana ny «carat», amin'ny vatosoa kosa dia maridrefy andanjana ny «carat». Unité en gemmologie : 5 carats = 1 gramme. Misy moa ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ny andefa volamena any Torkia ho avadika sarim-bola Ariary. Tsy mbola nisy filazana ofisialy hatreto ny amin'ny lanjam-bolamena «pur», izay matetika atao «lingot» ho avadika sarim-bola Ariary io. Ny «lingot» dia arendrika ny volamena dia atao toy ireny biriky kely ireny ny endriny ahafahana mitatitra sy mitahiry na mifanakalo aminy. Ny «lingot d'or» dia eo amin'ny 1g-100g 24 carats eo. «Pureté 999.9/1000». Misy koa ny fiantso azy ny hoe «Once d'or = 31.10grammes» Misy ny «400onces = 12.5kg» Ny famadihana azy ho lasa toy ny vola Ariary izany, dia tsy misy antony hafa ankoatran'ny ahafahan'ny olona mividy azy, atao fahatsiarovana, na tazonina, ka azo amidy ambony vidy kokoa amin'ny manaraka. Azo ampiasaina anaovana anto-bola ho an'ny Banky foibe anefa izy, fa ny «lingot», sady mora fanamboarana, mora tehirizina, mora isaina, mora taterina sy hifanakalozana. Ka raha milanja 15g any izany ny volamena Ariary iray, ka raha 1000kg (1 tonne) no avadika Ariary volamena, dia mahazo «pièce 1.000.000g/15g = 66.666 pièces d'1 Ariary en or» izany. Ka asa hisy mpividy 60.000 ve ilay Ariary volamena tehirizina tsy azo ampiasaina ary tsy azo antoka ny hiakaram-bidiny rahampitso sa hividy firavaka ny olona, sady azony anaovana, no azony lovaina, sy amidy raha ilainy? Raha ny Banky foibe no mila azy, atao inona, nefa «lingot d'or» mora tehirizina sy isaina ary azo antoka tsy hivadika korontam-by toy ny tao amin'ny kaofran’ny ministeran’ny harena ankibon'ny tany?»
JEAN LOUIS RAKOTOAMBOA
«MANANA ORANIOMA ISIKA»
«Madagasikara dia firenena tao anatin’i Gondwana taloha. Tsara ny manarika fa firenena mbola manana harena an-kibon’ny tany virijiny izy. Isany ny oranioma notrandrahan’ny frantsay tany Taolagnaro. Mbola manana oranioma koa isika ato Betafo. Misy koa amin’iny faritr’i Melaky iny. Mbola tsy notrandrahana. Ny volamena notrandrahan’ny frantsay tany Dabolava, Maevatanana, Andavakoera. Mbola manana volamena be dia be isika satria misy marika na «fissure» maro mbola ahitana izany. Mica fotsiny no mba notrandrahana taloha dia grafita. Ny ankamaroany mbola ao daholo. Isan’ny hiderana ny filoha Ratsiraka izay. Tsy namela ny hitrandrahana an’ireo izy fa ankehitriny ireo tokony ho trandrahana. Ny mampalahelo dia ny tandrefana matetika no mametra ny vidin’ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika eo amin’ny tsena iraisampirenena dia zara raha vola kely no omena anao fa ry zareo no manodina ilay izy ho zavatra azony ampiasaina hamidiny lafo be avy eo. Efa manomboka miova na «multipolaire» moa ankehitriny izao tontolo izao. Tsy ny tandrefana fotsiny intsony no mifehy ny vidin’ny harena an-kibon’ny tany fa manomboka mifehy izany koa ireo mpamokatra. Toy izany koa ny vidin-tsolika. Efa tsy ny tandrefana intsony izao no mibaiko ny fifehezana ny toekarena eran’izao tontolo izao sy ny vola. Efa eo ny BRICS izay ahitana an’i Brezil, Rosia, Inde, Sina, Afrika atsimo. I Arabia saodita sy i Sina koa izao efa Yen no ampiasainy fa efa manomboka miova koa ny fampiasana Dolara. Rosia mampiasa Roubl. Mila ny fahaizan’ny fitondrana koa ahafahana mampiakatra ny risitorina azo amin’ireny harena an-kibon’ny tany ireny. I Egipta izao mahavita 50/50 na «Fifty fifty». Miankina amin’ny fahaizan’ilay fitondrana mandresy lahatra fa i Ambatovy izao, ohatra, ankoatran’ny Nikela sy Kaobalita dia misy «Sulfate d’ammonium» azo anaovana zezika koa ao. Misy «minerais de fer» na akoram-by be dia be any amin’ny 45% ao tsy resahany fa dia alainy fotsiny ary any amin’ny farany vao sivaniny dia ohatrany hoe omena azy maimaimpoana fotsiny. Eto Madagasikara koa, toy ny any Ampasindava, misy ireo «métaux lourd» sy «métaux rare», izany hoe akoram-by tsy fahita sy manana ny lanjany izay ampiasaina amin’ny elektronika sy sahala amin’izany. Tadiavin’ny alemanina ho trandrahana sy vidiana amin’ny varoboba. Mahavelona be ny eoropeanina sy amerikanina ny varoboba aty amintsika saingy main’ny fahantrana moa isika.»
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa