airtel

Toekarena

01-mars-2024

Harilala Ramanantsoa

«Tsapa fa tsy ho an’ny rehetra ny lalam-barotra anatiny sy ivelan’i Madagasikara»

Sample post image

Ho an’ny tambazotra «Entreprendre au féminin de l’Océan indien» na EFOI

01-mars-2024

izay izaho no filoha mitantana azy mandritry ny 2 taona, hoy ny mpandraharaha, Harilala Ramanantsoa, dia mahatsapa izahay fa vita iny ny fifidianana dia miatrika ny hoaviny ny mpandraharaha. Mametraka ny paikadiny ao anatin’ny hoe inona no fomba hampiharina hahafahana mampivelatra, hahazoana vola bebe kokoa ahafahana manena ny fandaniana ary koa fitrandrahana lalam-barotra vaovao, hoy izy. Misy ny tatitra navoakan’ny banky iraisampirenena ny alatsinainy teo momba ny sakana mety mahazo ny vehivavy ka tsy hahafahany mahazo ilay hoe fahaleovantena amin’ny lafiny rehetra na «autonomisation». Nisongadina tamin’io tatitra io ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra. Fahantrana amin’ny lafiny fanabeazana, sakafo, fandriampahalemana, zon’ny vehivavy. Sakana lehibe ho an’ny vehivavy te handraharaha izany. Ho an’ny EFOI dia nanomboka ny fandraharahany tao anaty 3 taona izay ny ankamaroan’ny mpikambana. Ao anatin’iny fotoana iny moa dia tena saro-pady satria mbola marefo. Eo no ahitana hoe ahomby sa tsy ahomby ilay tetikasa napetraka. Eo no tena mila fanohanana ny mpandraharaha na lehilahy na vehivavy mba hahazo tohana ara-tsaina aloha, voalohany indrindra, satria olombelona no mandraharaha. Torohevitra koa satria raha mandeha amin’ny lalana tsy izy dia mety tsy ahomby koa ilay tetikasa. Fanohanana ara-bola satria mila vola ao anatin’izany hoe fanatanterahana tetikasa iray izany. Maro ny efa dingana misy ankehitriny hanamaivanana ny findramam-bola eny anivon’ireny banky ireny na «microfinance» nefa tena mbola hita hoe tsy mora, mila fepetra maro, anisany ny antoka hoe tsy maintsy mametraka ny fanananao ianao atao antoka. Misy koa anefa ary tsy azo lavina ny fifanarahana nataon’ny fitondram-panjakana amin’ireo mpamatsy vola amin’ny alalan’ireny fiantsoana tolo-bidy na «appel à manifestation d’intérêt» ireny. Ny fanohanan’ny BAD, ohatra, amin’ireo mpandraharaha vao misandratra mitady fanampiana. Mila fampahafantarana bebe kokoa ary fanampiana ilay tompona tetikasa ireny mba tena handray anjara sy hisitraka ireny famatsian’ny mpamatsy vola ireny. Mitady fivelarana ireo mpandraharaha efa mpisehatra. Fampitomboana ny vola miditra, fampihenana ny mety ho fandaniana mba ahazoana tombony bebe kokoa fa indrindra, lalam-barotra ahafahana mivarotra ireo vokatra na ireo fahaiza-manao. Mihetsiketsika ankehitriny ny EDBM miaraka amin’ny minisiteran’ny fampananan’asa hanatsara sy hanamora ny fepetra rehetra ny amin’ny mpiasa sy mpampiasa. Miezaka koa ny ao amin’ny fitantanam-bola manao ny fanentanana isan-karazany ny amin’ny mety ho fanamorana na fanentanana amin’ny fandoavan-ketra. Hitantsika amin’ny haino aman-jery ny fampahafantarana ireo lalam-barotra anatiny sy ivelan’i Madagasikara fa tsapa nefa fa tsy ho an’ny rehetra izany satria lafo ary mila tetibola na «fond» betsabetsaka vao mba afaka mandray anjara amin’ireny hetsika iraisampirenena rehetra ireny. Manantena ny mpandraharaha vehivavy, indrindra indrindra, fa mba tena hisy ilay fanentanana sy fanohanana azo tsapain-tanana entin’ny fitondram-panjakana hanohanana ireo orinasa madinika izay antoky ny fampandrosoana satria eny anivon’ny fiarahamonina ary manome asa izy ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap