na koa hoe “6% ihany no mpampiasa Facebook.”, ary nalaza mihitsy aza moa tamin’izany fotoana ilay hoe “6% imbéciles!”, dia ny filoham-pirenena mihitsy farany teo no hita mba roboka tanatin’izay fitanisana tarehimarika sy fanasongadinana laza anaty Facebook izay. Ny mpahaitoekarena sasany aza moa nahazo vava mihitsy fa miseho mahay nefa diso daholo ny tarehimarika nomeny. Tsy eo amin’ny resaka toekarena manokana ihany anefa fa eo amin’ny lafim-piainan’ny malagasy manontolo mihitsy dia lasa manitikitika ankehitriny hoe oviana tokoa ary ity malagasy ity no tena mba nigoka izany atao hoe fiainana milamina na fiainana milamina kokoa izany? Santionana tarehimarika azo lazaina hoe nanamarika ny 20 taona farany, raha toekarena no resaka, ny naha tafakatra ny harinkarena na PIB ambony indrindra teto amin’ny firenena hatrany amin’ny 7,1% tao anatin’ny fitondrana Ravalomanana. Noraisin’ireo rafitra iraisampirenena toy ny ONUDI na ny firenena mikambana, izany hoe ny ONU, ho firenena filamatra na “pays pilote” tamin’ny fampandrosoana aty Afrika mihitsy, raha tsiahivina izany fitondrana izany nialohan’ny taona 2009. Nalaza koa anefa ny fahitana izay PIB izay ho tafidina ho efa nanafosafo ny miiba 7% na -7%, izany hoe, -6,8% ny taona 2020, tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Ankehitriny ary, manao ahoana ny lafiny famokarana, varotra, fanjifana, vokatra tsara sy mahavelona eto amin’ny firenena ao anatin’izany rehetra izany?
FIZAHANTANY
Miresaka fihariana moa isika. Na eo amin’ny lafiny toekarem-pirenena na ny mahakasika ny sosialin’ireo mponina dia heverina fa ain-dehiben’izany ny lafiny fizahantany. Ho an’i Madagasikara manokana, raha ny mikasika ny tamin’ity taona 2023 ity no resahana dia ny volana febroary teo no naharaisana tarehimarika avy eo anivon’ny minisitera tomponandraikitra fa nandray mpizahantany miisa 132.018 ny firenena malagasy. Mizaka zom-pirenena frantsay ny 41%n’ireo. Italianina ny 13%. Malagasy monina any ivelany ny 9%. Poloney ny 4%. 3% avy ao République Tchèque ary ny ambiny avy amin’ireo firenen-kafa toa an’i Etazonia sy Alemanina. Tsiahivina hatrany fa efa ela ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ity minisitera ity no efa nanana vina hampiakatra ny isan’ny mpizahantany tonga eto hatrany amin’ny 500.000 isa. Etsy am-pitantsika kosa anefa, ankilan’izay no misy ny nosy rahavavy Maorisy izay tena niroborobo kosa ny azy izay sehatry ny fizahantany izay satria raha mbola zara raha nisy 179.780 ny mpizahantany tonga tany amin’izy ireo ny taona 2021 dia tafakatra hatrany amin’ny 997.290 izany ho an’ny taona 2022. Ny sehatry ny fizahantany no miantoka ny 24%n’ny harinkarena na PIB an’izy ireo. Isika kosa aiza ho aiza? Efa mba mahazo aina ve ireo mandraharaha amin’ny sehatry ny sakafo sy fampiantranoana na “hôtellerie et restauration” izay nikaikaika, indrindra, nanomboka ny taona 2020, noho ny fandalovan’ny valanaretina COVID 19 teto? Toy izany koa ireo mpanao asa tanana, izay tena mbola miankina betsaka amin’izay fizahantany izay amin’izao fotoana izao ny fihariany?
VIDIN-TSOLIKA SY FILANA AN-DAVAN’ANDRO
Mampikaikaika hatramin’izao koa ankehitriny ity vidin-tsolika ity izay iankinan’ny vidin’ireo filàna andavan’andro, indrindra, ny ao anatin’ireo sokajiana hoe PPN toy ny vary, menaka, lafarinina, siramamy sy ny hafa rehetra. Na tsy hivalamparana be aza moa fa fampahatsiahivana fohy fotsiny dia efa azo lazaina ho ahitana ny elanelan’ny fidanganan’izany rehetra izany tato anatin’ity fitondrana ity. Ny jona 2019 no hoe mijanona 3400 Ariary ny litatry ny solika, 4100 Ariary ny lasantsy, 2130 Ariary ny solitany, hoy ny minisitera tomponandraikitra tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny, iaraha-mahalala fa tafakatra 4900 Ariary ny litatry ny solika. 5900 Ariary ny lasantsy. 2430 Ariary ilay solitany. Tokony ho 9000 Ariary aza, raha nampiharina ny vidiny tena izy na “vérité des prix”, hoy moa ny fanazavana natao litania tamin’ireny fotoana ireny, fa nahay nitantana ny mpitondra dia voatazona tamin’io vidiny 4900 Ariary io ny vidin-tsolika. Tsy dia nifanalavitra tamin’izay koa ny nambaran’ny filoham-pirenena mikasika ny sandan’ny Euro izay efa maherin’ny 5000 Ariary satria dia efa tokony ho 10.000 Ariary izany, hoy izy raha tsy nahay nitantana ny fitondrana ankehitriny. Toy izao manaraka izao kosa ny santionan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpandinika sy mpahaitoekarena manoloana ny zava-misy.
IMBEH JOVIAL
“Aoka ianao hitandrina andriamatoafiloha amin’ny manodidina anao satria 70% ny tarehimarika na “données statistiques” izay navoaka tamin’ny fandaharana manokana nataonao dia tsy marina avokoa. Tsy misy “fake site” na tranokala sandoka tompoko ny banky iraisampirenena na “banque mondiale”. “Les données sont là” na hoe hitanao ao avokoa ny tarehimarika. Marina ihany koa ny teninao fa 1400 miliara Ariary ny “subvention” na famatsiana omena ny JIRAMA ary izay 80 miliara Ariary ve dia tsy ho hitan’ny fanjakana hikarakarana fifidianana? Ny mahagaga dia ny mbola angatahantsika Basket Fund raha manana io vola io isika.”
JEAN JACQUES RATSIETISON
“Mampalahelo raha filoham-pirenena no tsy manan-kambara afa-tsy ny hoe efa 10.000 Ariary ny Euro raha tsy nahay nitantana aho fa zaranareo fa tafajanona 5000 Ariary izany. Dia miomana izany ry vahoaka fa rehefa mimenomenona ianao hoe 4000 Ariary ny kilaon’ny vary dia hiteny ny fitondram-panjakana, ny filoha Andry Rajoelina, hoe zaranareo aza fa raha tsy nahay nitantana aho efa 8000 Ariary io. Rehefa tafakatra 6000 Ariary ny Euro dia hiteny izy hoe zaranareo aza fa raha izaho no tsy nahay nitantana dia efa 12 000 Ariary io.”
Nanangona sy nandrindra: J. Mirija
Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa