airtel

Toekarena

06-juil-2023

Toekarena

Hetsika ara-barotra Sinoa-Afrikanina Nahasarika sy nisongadina ny vokatra Malagasy

Sample post image

Nandray anjara tamin’ny CAETE na Fampiratiana ara-ekonomika sy ara-barotra sinoa-afrikana tany Changsha Chine ny 29 jona hatramin’ny 02 jolay teo I Madagasikara.

06-juil-2023

Anisan’ny hetsika ara-toekarena sy ara-barotra lehibe indrindra ao anatin’ny taona eo amin’i Chine sy Afrika ny CAETE, izay mitondra ny lohateny hoe “Fampandrosoana iombonana ho an’ny hoavy iombonana”, mampivondrona ireo solontenan’ny firenena afrikanina 53 sy ireo fikambanana iraisam-pirenena. Araka ny tatitry ny Masoivoho sinoa eto amintsika, Madagasikara dia anisan’ireo firenena vahiny manan-kaja nasaina tamin’ny CAETE tamin’ity taona ity. Tao anatin’ny trano heva mirefy 300 metatra tora-droa, orinasa malagasy am-polony no nitondra vokatra sangany avy aty amin’ny Nosy toy ny lavanila, jirofo, toaka, sôkôla, kakao, menaka avy amin’ny zava-maniry ary vokatra lamba izay nahasarika ny sain’ireo mpividy matihanina maherin’ny 9.000 sy mpitsidika 100.000, hoy hatrany ny tatitra. Herijika lehibe ho an’ny mpandraharaha Malagasy noho izany ny fandraisana anjara tamin’io hetsika ara-toekarena sy ara-barotra io, izay heverina fa mitondra any amin’ny fisokafan’ny làlam-barotra maro. Raha ny fanasokajian’ny Banky Foiben’I Madagasikara tamin’ny 2022, fahatelo amin’ireo firenena hanondranantsika vokatra Malagasy I Chine, ka nampiditra 2 052 miliara Ari zany. Voalohany kosa I Chine amin’ny fampidirana entana maketo Madagasikara, izay nahatratra 4 864 miliara Ar raha ny tamin’ny taon-dasa. Raha raisina amin’izany, na miakatra aza ny fifanakalozana ara-barotra, dia mbola miiba ny fifandanjana ara-barotr’I Madagasikara amin’I Chine hatreto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mai-2025

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM)

Card image cap