airtel

Toekarena

15-juil-2022

Toekarena

Inona ho ho ataon’ny fanjakana ? Orinasa maro ahiana ho vizana

Sample post image

Samy miandry izay ho votoatin’ny didim-panjakana momba ny fampiakarana ny karaman’ny sehatra tsy miankina ny rehetra taorian’ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra omaly.

15-juil-2022

Tsy vao izao no nilazana an’io fa hivoaka tsy ho ela satria efa niresaka an’izany ihany koa ny Minisitry ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy. Tsara ny mampahatsiahy fa fiakarana 9,9% niainga tamin’ilay karama farany ambany 200 000Ar teo aloha no efa novolavolain’ny Vondron’ny mpandraharaha, ka nanome 220 000Ar ny karama farany ambany, saingy ny Fanjakana no nampiakatra azy ho 250 000Ar, rehefa nisy ny dinika niarahan’ny Filoham-pirenena tamin’izy ireo. Roa volana mahery anefa tsy tafavoaka ny didim-panjakana, izay midika fa misy ny olana sy fahasarotana. Tsy voadinika tsara sy tsy maty paika ve ka sarotra ny fanatanterahana. Raha ny nambaran’ny Fanjakana, ny latsakemboka na « charge patronale » tokony halohan’ny mpampiasa any amin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) manodidina ny 34000Ar no tonga dia halefa mivantana any amin’ny mpiasa, ka ny Fanjakana no hanonitra izany any amin’ny CNaPS. 40 miliara Ar moa no sora-bola voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana mikasika an’io. Lasa adihevitra io tsy fandrotsahana ny latsakemboka io satria maro no manana ahiahy fa sao tsy ho voaloan’ny Fanjakana akory kanefa io no miantoka ny fisotroan-dronono.
ORINASA MARO AHIANA HO VIZANA
Ho sarotra ny fandehan-draharaha, handroso maty raibe, hihemotra maty renibe. Efa teny navoakan’ny Fanjakana ny fampisondrotana, ka sarotra ny tsy hanatanterahana azy, indrindra fa ao anatin’izao krizy mangotraka izao, mba hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy. Moa ve anefa efa tena nipetraka teo amin’ny toeran’ny orinasa sy ny mpandraharaha ny Fanjakana? Tsy efa lany era sy voadinika tsara ve io no roa volana taty aoriana tsy tanteraka ihany? Misedra olana ny ankamaroan’ny orinasa sy ny mpiasa amin’izao. Hitombo ny vesatra noho ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny orinasa mampiasa herinaratra toy ny sehatry ny indostria anefa mananontanona ny fampiakarana ny saran’ny herinaratra izay 80 hatramin’ny 100% no nokasain’ny Jirama, ary 30 hatramin’ny 60% no mety hihatra. Ny delestazy izay mampihena be ny famokarana anefa manao ny ataony. Tena ampy sy mifandraika amin’ny zava-misy ve ilay tsy fampanefana latsakemboka ny orinasa mba ahafahana manondrotra karama? Tsy misy tohana sy fepetra afa-tsy io azon’ny Fanjakana atao ve toy ny fanalefahana ara-ketra amin’ny endriny maro? Ahoana ihany koa ny fitsinjovana ireo sehatra tsy manara-drafitra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap