iankinan'ny andavan'andron'ny mponina ny sandam-bola", hoy i Jean Jacques Ratsietison. Notohizany fa tsy misy firenena mahazaka fihenan-danjan'ny vola na 100% fotsiny aza. Nambaran'ity mpanao politika sady mpahay toekarena ity fa efa mananika ny 7.000 % ankehitriny ny fihenan-danjan'ny vola Malagasy. Efa famonona olona izany hoy hatrany izy saingy tsy laharam-pahamehan'izay mpitondra nifandimby teto hatramin'izao ka tsy mahagaga raha mitontongana isan'andro ny farimpiainan'ny Malagasy. Kandida filoham-pirenena in-droa miantoana tamin'ny 2018 sy 2023 i Jean Jacques Ratsietison. Nanao fanamarihana izy fa nahazo aina ny Ariary satria efa latsaky ny 5.000 Ar ny takalon'ny 1€ raha toa ka nihoatran'ny 5.000 Ar izany iray volana lasa izay. Fiantraikany amin'ny andavan'andron'ny mponina, tsy mihetsika ny vidim-piainana rehefa mahazo aina ny Ariary. Na ho ela na ho aingana anefa, hoy izy, dia hihen-danja indray ny vola Malagasy ka hihoatra ny 5.000 Ar ny takalon'ny 1€, dia mihomàna ry vahoaka Malagasy fa hiakatra daholo indray ny vidim-piainana amin'ny ankapobeany. Nambarany fa manodidina ny 7.000 % eo ho eo ny fihenan-danjan'ny vola Malagasy raha niainga tamin'ny 1 Franc Français (FF)= 50 FMG izay manome 1€ = 328 FMG na 65,6 Ar. Ny vidim-piainana kosa niakatra 78.500%, ny hena izay novidiana 140 FMG /kg na 28 Ar/ Kg ohatra dia lasa 110.000 FMG/kg na 22.000 Ar/ Kg ankehitriny, ary tahak'izay avokoa ny fiakaran'ny vidim-piainana amin'ny ankapobeany, mahatonga ny karama tsy mahavelona sy tsy ahafahana miaro ny zo fototra mahaolona.
Nangonin'i Jean D.
Jean Jacques Ratsietison, mpahay toekarena Filohan'ny antoko FMI Malagasy