airtel

Toekarena

03-févr-2022

Toekarena

Joseph Yoland “Mila ovana ny lalàna mikasika ny volamena eto”

Sample post image

Mila ovana ny lalàna mikasika ny volamena eto amintsika, hoy ny mpandraharaha sady filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, faritanin’Antsiranana, Joseph Yoland.

03-févr-2022

Tsy foanana akory ny fanondranana, hoy izy, fa atao ao amin’ny banky foibe mba ho antoka ho an’ny vola malagasy. Ny volamena, raha ny lalàna iraisam-pirenena, no hahafahana miantoka ny lanjan’ny vola Malagasy. 1 Euro izao efa ho 5000 ariary nefa tokony hifamadika amin’izany no izy. Tsy manana ny harentsika eto Madagasikara izany Frantsa izany fa noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanarahana ny baikon’ny vazaha dia lasa mahantra isika. Tsy matanjaka ny vola. Anaty firenena miisa 7 manankarena indrindra ambonin’ny tany I Madagasikara. Tsy lojika io hoe ary amin’ny farany aoriana amin’ny fampandrosoana io isika. Tsy any atsimo ihany izao no kere sy mosary fa noana daholo ny olona manerana an’I Madagasikara. Mbola mahavaha ny olana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ny voarakitra ao anatin’ny boky novolavolainay nandritry ny 2 taona dia ny taona 2010 hatramin’ny 2012 ka nosoniavina CST miisa 135 amin’ny 150 ho lasa tolo-dalana mitondra ny lohateny hoe “Madagascar le changement”. Mpampianatry ny oniversite no nanao ny boky. Raha iantehitra amin’ny fanampiana foana isika dia tsy ho tafavoaka ity firenena ity. Hatramin’ny filoha Philibert Tsiranana tamin’ny repoblika voalohany no efa niteny tamin’ny zanany, Pierre Tsiranana, hoe niaro ny fiandrianam-pirenena frantsay sy ny antsika no iraka nampanaovina ahy, hoy ny tatiny tao amin’ny CST. Izay no naha resy lahatra ny rehetra fa raikipohy tian’ny mpanjakana apetraka eto io ampanaoviny antsika eto io. Niteny mihitsy ny mpanjanaka tamin’izany hoe tsy azo atao ny mampatanjaka firenena avy nozanahana fa aleo izy hijaly foana dia hampiana rehefa sahirana. Ny mpandraharaha na “operateur” akaiky ny mpitondra hatrany no mahazo tombony amin’ny fanafarana vary sy fanafody. Mangataka ny fampiarana ny tena fanovana ho tombontsoan’ny malagasy ny tenako, hoy hatrany ny tenany, ary tsy hijanona mihitsy na nampidirina tany Antanimora fa hoe tsy tia vazaha aza nefa tsy mitombona izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap