airtel

Toekarena

12-nov-2021

Toekarena

Julien Andriamorasata “Sorabola fa tsy vola no betsaka eto”

Sample post image

Tokony hiasa mafy ny fahefam-panjakana amin’izao fotoana izao, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitantanana raharaham-panjakana, Julien Andriamorasata.

12-nov-2021

Miisa 3 izy ireo, raha tsiahivina dia ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalana, fahefam-pitsarana, hoy izy. Ilay fahefana mpanatanteraka miaraka amin’ny filohan’ny repoblika dia ny governemanta no tena tiako ho resahana. Misy izao ny fitokonana isan-karazany, ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra izay miteraka fihenan’ny famokarana amin’ny ankapobeny, ny fitotonganan’ny sandam-bola Malagasy miteraka fahantrana. Misy ny tsy fijerena ny laharam-pahamehana nefa ny vola tsy betsaka. Tokony ho mailo ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ka ny sosialim-bahoaka sy ny tsy fandriampahalemana izany amin’izao fotoana izao no tokony jerena faran’izay haingana. Ny fisian’ny grevy maro dia midika fa mitotongana ny raharaham-panjakana eto amin’ny firenena. Tsy tokony ho be loatra ny politika ny fahefana mpanatanteraka fa mampitotongana. Fantatra fa manomana ny 2023 ianareo fa aleo hiasa aloha ny governemanta. Mandinika an’io ny mpamatsy vola sy fianakaviambe iraisampirenena. Milaza ianao fa be vola nefa rehefa jerena ny lalana mifehy ny tetibola dia ny sorabola no betsaka fa ny vola kely. Misy olona vitsy an’isa manana tsindry any amin’ny governemanta eto ary ireo no mijery ny tsenam-barom-panjakana. Hitan’ny olona izany ka mitandrema fa tsy mora ny mitantana raharaham-panjakana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap