airtel

Toekarena

29-juil-2022

Toekarena

Mandohalika tanteraka ny fizahantany • Madagasikara enim-bolana: 14 146 • Maorisy telo volana: 243 086

Sample post image

69 383 ny isan’ireo olona avy any ivelany niditra an’i Madagasikara ny 01 janoary hatramin’ny 01 jolay 2022, raha ny loharanom-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny fizarahantany,

29-juil-2022

araka ny tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Ny fanangonana ny antontan’isa nifototra tamin’ny taratasy fenoina eo am-pahatongavana napetraky ny minisitera no nahafahana nanasokajy fa 58,49% amin’ireo mpandeha izany hoe 40 582 izany eo no tsy mponina eto Madagasikara, ka ny 20,14% amin’ireo no teratany Frantsay, 11,55% Italianina? Ary 3,75% kosa Maorisianina. Ny 34,86% amin’ireo 40 582 vahiny tonga izay tsy mponina eto Madagasikara izany hoe 14146 eo no hizaha tany no anton-diany, 13,03 kosa fitsidihana ara-pianankaviana ary ny 5,08% hanao fandraharahana na “business”. Eo anelanelan’ny 41 hatramin’ny 60 taona ny ankamaroan’ireo, izay mahatratra 18,79%. Raha ny tatitra hatrany, saika misafidy ny afovoan-any sy tapany avaratry ny nosy. Vitsy dia vitsy izany 14000 mahery kely mpizaha tany niditra teto Madagasikara tao anatin’izay 6 volana voalohany izay, izay 2350 isam-bolana eo izany raha atao ny salan’isa. Hatrany amin’ny 500 000 mpizahatany isan-taona anefa ny fanamby napetraky ny Fanjakana Malagasy, izany hoe ny 2,82% amin’ny tanjona no tratra tato anatin’ny enim-bolana voalohany, ary ahiana tsy hiova lavitra noho izao, ary vao mainka hihena aza io 140 000 io mandritra ny enim-bolana faharoa raha io ataon’ny Fanjakana io.
MAFY BE NY NOSY MAORISY
Raha hijery tsy lavitra fa etsy Maurice, ny telo vooana voalohan’ity taona ity fotsiny no 243 086 ny mpizahatany tonga tao aminy, ka ny volana aprily fotsiny no 80 000 izy mbola ambonin’ny olona rehetra tonga teto nandritra ny 6 volana. Raha mandany vola 1000 euros fotsiny isan’olona mandritra ny fahatongavany ao Maurice, efa 246 000 0000 euros ka aiza ho aiza amin’izany isika? Raha harena sy toerana manintona anefa resintsika lavitra izy. Mampitaraina ny fanasarotan-javatra ataon’ny Fitondrana ankehitriny, toy ny fitiliana PCR handaniam-bola be satria tsy ahitana izany firy intsony ny seranam-piaramanidina any ivelany. Ny fahasoratana eo am-pahatongana, ankoatra ny fotoana lany amin’ny pitsopitsony samihafa. Manampy trotraka an’izany ny mbola fanaovana fahirano sy takalon’aina ny sidina sasany toy ny fifandraisana amin’I Afrika Atsimo sy Maorisy noho ny fitakiana ny volamena niondrana antsokosoko nankany sy ny fametrahana an’ireo ho lisitra mena amin’ny trafika. Isika no manao tandrevaka sy tsirambina na koa tsikombakomba ka tafavoaka ny harem-pirenena, dia ny fifandraisana ara-toekarena no hatao takalon’aina. Manampy trotraka amin’ny tsy faharisian’ny mpizahatany ny laza ratsy, ny tsy fandriampahalemana, ny faharatsian’ny fotodrafitrasa toy ny làlana, ny fahasarotana ara-taratasy na “lourdeur administrative”,… Mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe: tena hidiana amin’ny mpizahatany ve I Madagasikara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap