airtel

Toekarena

05-août-2021

Toekarena

Mangarahara amin’ny fitantanam-bola Raikitra ny fiofanana any Mahajanga

Sample post image

Ho fampiharana ny mangarahara eo amin’ny lafiny fitantanam-bola eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena,

05-août-2021

indrindra fa ho an’ny ratsamangaika eny ifotony toy ny fari-piadidiam-pampianarana, ny ZAP sy ireo sekoly dia nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny fanaraha-mason’ny fitantanam-bola sy ny fitantanan-draharaha ankapobeny ny teo anivon’ny « Unité de Contrôle et d’Audit » nanomboka ny alatsinainy 0 2 aogositra lasa teo. Tanjona amin’ity atrik’asa ity ny hanamafisana ny rafitra sy ny fahaiza-manaon’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny « Bureau de Contrôle Administratif et Financier (BCAF) » izay navadika ho « Division en charge du Contrôle, de l’Audit Interne et de l’Inspection Administrative et Financière » araka ny rafitra vaovaon’ny ministera. Ny vokatra andrasana aorian’ity atrik’asa ity dia ny hitomboan’ny asa fanaraha-maso misimisy kokoa momba ny fitantanan-draharaha rehetra eny ifotony indrindra fa ny fitantanam-bola eny anivon’ireo rantsamangaikan’ny ministera (fari-piadidiam-pampianarana, ZAP,Sekoly). Santatra ihany ity atrik’asa fampiofanana ao Mahajanga ity fa mbola hitarina manerana ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra izany.
Pati

 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Misedra olana administratifa amin’izao fotoana izao ny orinasa Madagascar oil,

Card image cap