airtel

Toekarena

02-févr-2021

Toekarena

Minisitra Lantosoa Rakomalala “Hovatsiana fitaovana ny orinasa madinika”

Sample post image

Nanambaran-dRtoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana Rtoa

02-févr-2021

 

 

 

Lantosoa Rakomalala omaly nandritra ny fananganan-tsaina teo anivon’io Minisitera io ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny fametrahana tsy ho ela ny "Plan Emergence Madagascar" izay hananan'ny Ministera anjara andraikitra goavana ao anatiny. Nohamafisiny araka izany fa tsy ho ela dia hanomboka ny famatsiana fampitaovana ireo orinasa madinika sy salantsalany ao anatin’ny fandaharan’asa ODOF. Nambarany ihany koa ny fotoana izay hanatontosan’ny fianakaviam-ben’ny MICA miaraka amin’ireo vondrona sy sehatra tsy miankina ny fambolen-kazo amin’ity taona 2021 ity. Nanentana ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka ihany koa Rtoa Minisitra ny amin’ny fitandremana sy fampiharana hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, araka ny fampitam-baovao tao amin’ny pejy ofisialin’io Minisitera io.

 Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap