airtel

Toekarena

31-oct-2025

Minisitry ny fitantànam-bola teo aloha

Efa any Etazonia i Rindra Hasimbelo

Sample post image

Tsy tonga nanao fifamindram-pahefàna ny

31-oct-2025

minisitry ny fitantànam-bola sy ny toekarena teo aloha, Rindra Hasimbelo, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Ny Sekretera Jeneraly, Andry Ramanampanoharana, no nanao sonia ny taratasy famindram-pahefàna tamin'i Dr Herinjatovo Ramiarison, minisitra vaovao omaly. Efa tsy eto Madagasikara intsony ny minisitra teo aloha fa nandray ny asany any Etazonia, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Misy maha mahana ve? Tsy sahy hiatrika ny mety ho fitsirihana na fanadihadiana samihafa ve? Inona no antony tena naha maika be handao ny tanindrazana? Santionan’ireo fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique