Tontosa tao Ankazobe ny 11-13 jolay 2016 ny Foara “Haren’Ankazobe rodorodon’ny tantsaha” andiany voalohany, nokarakarain'ny fikambanana Tokantranon’ny tantsaha Malagasy, niaraka tamin’ireo kaominina 15 mandrafitra ny distrikan’Ankazobe, ary ny Faritra Analamanga izay nanao ny fiahiana sy nanohana ny hetsika. Tranoheva am-polony no nanehoan’ny tantsaha sy ny fikambanana ny vokatra fambolena, fiompiana ary asa tanana mampiavaka azy. Ankoatra ny varotra fampirantiana dia nisy fampiofanana ho an’ireo mpitantana kaominina momba ny fitantanana ny fidiram-bola sy ny drafi-pampandrosoana. Tanjona ny hanandratana ny tantsaha sy hanovana ny fomba fijery momba azy ireo satria tokony hovaina ny fomba fijery ny tantsaha”, hoy RAKOTOVAO Baritia, filohan’ny fikambanana mpikarakara. Nanamafy kosa Rtoa RAHARINIRINA Clémence, lehiben’ny Faritra Analamanga, fa tsy handroso i Madagasikara raha tsy voajery ny tantsaha. Nandritra izany no nanolorany “tracteur” roa ho an’ny tantsaha, ary Kaominina fito nahazo fitaovam-panorenana mitotaly 30 taonina mahery. “Tsy naman’ny mpampanantena poakaty izahay”, hoy hatrany RAHARINIRINA Clémence, izay nanambara ihany koa fa ho avy amin’ny faran’ny volana izao ireo “engins” hanamboatra ny lalana rehetra araka ny fangatahan’ny Ben’ny tanàna. Naneho kosa RAZAFIMANDIMBY Harijao Percy, solombavambahoaka voafidy tao Ankazobe, fa voaporofo ny fanavaozana ao Ankazobe izay zary faralahy teo aloha. Nanamafy ANDRIAMAHOVA Finaritra, ben’ny tanànan’Ambohitromby, fa mamaly ny hetahetan’ny vahoaka ny Faritra Analamanga ary mandray ny Ben’ny tanàna foana. Namafisina fa ity foara ity dia mariky ny fanandratana ny tantsaha sy ny fanomezana lanja ny distrikan’Ankazobe, izay manomboka miseho ho lahimatoa eto Analamanga. Taorian’izany dia nisy fanomezana fitaovana ho an’ny “camp pénal” hanohanana ny famokaran’ireo voafonja.
Toky R