airtel

Toekarena

01-déc-2022

Toekarena

Orinasa Ambatovy 10 taona namokarana, nanohana ny ara-toekarena

Sample post image

Ny orinasa Ambatovy hatreto no orinasa goavana indrindra amin’ny tontolon’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, isan’ireo mpamokatra nikela sy kôbalta dimy voalohany maneran-tany. Feno 10 taona tamin’ity

01-déc-2022

taona ity ny namokaran’Ambatovy ny birikikelina nikela sy kôbalta teto Madagasikara. Ny 8 novambra 2012 no niala ny seranantsambon’i Toamasina ny nikela voadio voalohany, nilanja 40 taonina metrika, hamidy eo amin’ny tsena iraisampirenena. Fotoana tsy manam-paharoa manamarika ny tantaran’Ambatovy sy Madagasikara izao fotoana izao ka naneho fa miara-paly sy mankalaza izany miaraka amin’ireo rehetra niara-dalana taminy ny orinasa. “Taorian’ny dingana nanahirana tamin’ny fanorenana ny fotodrafitrasan’ity tetikasa ity teo amin’ny tany tsy vaky lay izay isan’ny lehibe indrindra aty Afrika ity, dia lasa orinasa fitrandrahana sy fanodinana harena an-kibon’ny tany voalohany sy lehibe indrindra eto Madagasikara Ambatovy, ary isan’ireo orinasa mpamokatra nikela sy kôbalta dimy voalohany maneran-tany. Ny fanodinana sy fandiovana manontolo ny akora eto an-toerana ihany dia mitondra tombondahiny lehibe ho an’ny toekaren’ny faritra sy ny firenena manontolo,” hoy ny Filohan’Ambatovy, Atoa Gustavo Gomes. Teo andaniny, maro ireo olana nosedraina, isan’izany ny fitotonganan’ny vidina nikela teo amin’ny tsena iraisampirenena sy ny krizy ara-pahasalamana vao tsy ela noho ny COVID-19, saingy na teo aza anefa ireo dia maro ny fahombiazana azo, hoy hatrany I Ambatovy. 10 taona ihany koa no nitondran’Ambatovy anjara biriky goavana amin’ny fampandrosoana ny lafiny toekarena sy sôsialy ao amin’ny faritra misy azy sy ho an’ny firenena iray manontolo. Ampahany no mety ho voatanisa eto: mahatratra 35 tapitrisa dolara eo ho eo isan-taona ny vola ampidiriny amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny hetra, haba, tamberim-bidy,… Niteraka fiforonan’asa hatrany amin’ny 12 000 ka ny 3800 no mpiasa mivantana amin’Ambatovy. Maherin’ny 90%-n’ny mpiasa dia Malagasy avokoa. Tsantsaha mpamokatra voankazo sy legioma hatrany amin’ny 3000 no miankina aminy. Orinasa madinika sy salantsalany miisa 450 amin’ny sehatr’asa 40 no miara-miasa aminy amin’ny famatsiana samihafa. Nahatratra 250 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nentiny ho an’ny fanatsarana teo amin’ny faritra ipetrahany : lalamby sy làlana tao Toamasina, fanatsarana sy fanitarana seranantsambon’i Toamasina,… Ny taona 2012 no napetraka ny FIS (Fonds d’Investissement Social) mitentina 25 tapitrisa dolara namatsiana tetikasa ara-pampandrosoana sy fotodrafitrasa 17 tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana (Bazary Be Toamasina, tsenan’i Moramanga).
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap