ady mangatsiaka na fifandonana sy fifanenjanana eo amin'ireo orinasa vahiny matanjaka mifehy sehatra ara-stratejika eto sy ny Fanjakana Malagasy, raha ny loharanom-baovao sy ny zava-misy efa hita miharihary. Toe-javatra mifampidipitra mifamatotra amin'ny tombotsoa goavana. Tany Morondava, nahitsy ny PRRM nilaza fa anisany fanimbana ny JIRAMA sy fampijaliana ny vahoaka ny ataon'ny tsy miankina amin’ny famokarana herinaratra. « Ny any Diego izay ny ENELEC no manao azy any, tokony hamokatra 11 Megawatts dia 3,9 Megawatts fotsiny ny vokariny. Fampijaliana ny vahoaka ny ataony, ary ataon-dry zalahy "otage" na takalon'aina isika io », hoy izy nahitsy. "Isika tsy mbola mahaleo tena izany, nanao fety isika teo ny 26 jona fa isika tsy mahaleo tena izany. Mbola tsy mahaleotena isika, mbola miankina amin'ny Firenena atsy na aroa, ka tsy handroso velively isika raha mbola miankina amin'ireo.", hoy ny PRRM nahitsy. Nanamafy fa ny efa nambarany tamin'ny 26 jona fa mbola tsy mahaleo tena isika indrindra amin'ireo sehatra stratejika: angovo sy herinaratra, fahaleovan-tena ara-tsakafo, famatsiam-bola amin'ny tetikasa maro, fahasalamana,... "Mbola miankin-doha amin'ny vahiny isika na ara-politika na ara-toekarena", hoy izy izay nanipika fa mila fiovam-penitra sy famondronan-kery, ka fotoana izao handinihan'ny tsirairay hoe inona anjara biriky entiny ho an'ny Firenena. Nialoha an'io, re ny fifanenjanana mikasika ny Gara Amoronankona izay ny 23 jona teo ny fisokafana ofisialy. Ny 22 jona hariva vao nomen'ny orinasa Jovena ny fanalahidy, efa tao anatin'ny fifandirana goavana raha ny loharanom-baovao hatrany. Voalaza fa misy volabe 22 miliara Ar an'ny Jovena, tafiditra ao anatin'io, ka isan'ny antony ifanolanana. Ho an'ny Gara Maki etsy Andohatapenaka dia voalaza fa ny Total no tena namatsy volabe, ka ankoatra ny fivarotan-tsolika azy eo, dia voalaza fa azy ny tsena amin'ny famatsiana solika ny fiaramanidina rehetra eny Ivato. Vokany, te hanana sary ohatr'izay ny etsy Amoronankona izay misy volabeny tafiditra ka manenjana amin'ny tokony hemerenana izany? Re ny fifanenjanana ka nandrahona hanapaka ny tsenam-barotry ny Jovena amin'ny famatsiana solika ny Jirama ny Fanjakana ? Ahiana na heverina fa noho izany ny mahatonga ny toe-draharaha tao Diego izay nilazan'ny PRRM fa atao takalon'aina. Ny Minisitry ny Angovo sy ny akoron'afo Atoa Lucas Rabearimanga moa no nidina ifotony any Diego, mijery ny famahana olana. Tany aloha dia efa nilaza mazava hanapaka ireo fifanarahana mamono antoka ny Jirama. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny 2 jona teo ohatra famaranana ny fifanarahana amin’ny Henri Fraise & Cie, momba ny fanofan’ny Jirama ireo gropy mpamokatra herinaratra any Mahajanga sy ny fandoavana ireo taratasim-bidy mifanaraka amin’izany. Mandeha ny don-tandroka ankilany?
TOE-JAVATRA MAFAMPANA
Betsaka ireo toe-javatra mafampana mifandraika amin'ireo sehatra stratejika fa mety mifampidipitra amin'ny jeopolitika, indrindra eo anatrehan'ny hoe orinasa inona avy ireo tena mifehy ireo sehatra goavana eto. Asa hanao ahoana ohatra ny tohin'io resaka solika io ato ho ato satria ny volana aprily 2026 teo no efa nilaza ny Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko nandritra ny fihaonana tamin’ny diaspora tany Frantsa ny resaka ampihimamba, ka nanambarany fa mikasa hampiditra mpamatsy solika na Pétroliers hafa any Madagasikara, fa mbola tsy tafiditra. Ny tenany izay naneho hoe :fa ho tapitra ny volana mey izao ny fifanarahana amin’ireo kaompanian-tsolika 4, ary misy pétroliers Rosianina roa na avy any Qatar ho tonga eto Madagasikara. Andaniny, nisy ilay dian'ny PRRM tany Nigeria tamin'ny fiandohan'ity volana ity, ka nilazana ofisialy fa fifampidinihana mikasika ny famatsian'io Firenena io solika solika antsika no isan'ny anton-dian'ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael tany, nihaona tamin'ny Filohan'io Firenena io Bola Amed Tinubu. Nambara fa efa vita tanteraka ny fifampiraharahana ary tsy ho ela dia hatao ny sonia ofisialy amin’ilay fifanarahana. Asa misy ifandraisany amin'ireny ny sary politika sy stratejika ary jeopolitika mitranga eto? Efa manana vahaolana mipetrapetraka sy miomana amin'ny lafiny stratejika eo anatrehan'ny mety ho tsindry ny Fanjakana ? Sa fomba fiady entina hametrahana fitsipi-dalao mazava?
Toky R