Nidina ifotony tao Analaiva nijery ifotony ny zava-misy ao amin'ny orinasa mpamokatra siramamy SIRANALA (SIRamamin'ANALAiva), omaly, andro faharoa ny fitsidihany tao Morondava, ny delegasiona notarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Michaël Randrianirina. Nambarany nandritra izany fa ato anatin’ny telo herinandro dia hisy vondrona mpampiasa vola ho tonga ao an-toerana hijery sy hanao fanadihadiana teknika momba ny fanarenana ny orinasa SIRANALA. Tombanana hahatratra 70 tapitrisa dolara amerikanina ny fampiasam-bola amin'ny dingana voalohany amin'izany, izay haharitra 18 ka hatramin'ny 24 volana. Raha tanteraka izany dia hisy fiantraikany lehibe amin’ny fanarenana sy fanavaozana ny SIRANALA ; famoronana asa ho an’ny mponina ; fampitomboana ny famokarana siramamy eto Madagasikara ; fampihenana ny fanafarana siramamy avy any ivelany ary koa fanamafisana ny fahaleovantenan’ny firenena eo amin’ny sehatry ny famokarana. Ny tanjona dia ny hamerina ny SIRANALA ho isan’ireo orinasa mpamokatra siramamy lehibe indrindra aty Afrika, ka hahatonga azy indray ho motera mampandroso ny faritra sy ny toekarem-pirenena. VOAROBA Ny taona 1983 no nananganana ny orinasa SIRANALA. Ry zareo Sinoa sy Frantsay tamin'ny alalan'ny AFD no namatsy vola ny fanorenana ny orinasa, mivelatra amina velaran-tany 6.000 ha, ka tany fambolena fary ny 2.000 ha mahery. Nanomboka ny 20 jona 1997 dia ny orinasa sinoa SUCOMA no nandray an-tanana ny fitantanana ny orinasa tamin'ny alalan'ny fifanarahana fampanofana mandritra ny 15 taona azo havaozina. Nahavita namokatra siramamy hatramin'ny 20.000 taonina isan-taona ny orinasa raha 4.000 taonina ihany izany teo aloha. Nisy ny disadisa resaka karama teo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ny desambra 2014 izay niitatra tamin'ny fandrobana sy fahamaizan'ny orinasa izany. Niato tanteraka nanaraka an'izay ny famokarana siramamy tao amin'ity orinasa ity. Nisy fampanantenana hanarina ity orinasa ity nataon'ireo mpitondra nifandimby taorian'io saingy maty an-karanany avokoa ireny. Amin'ity indray mitoraka ity dia manantena ny hahatanterahan'ny tetikasa fanarenana ny SIRANALA amin'izay ny mponina ao Morondava.
Jean D.
Rindrina sisa mijoro tamin'ny orinasa SIRANALA niharan'ny fandrobana tamin'ny 2014