airtel

Toekarena

29-janv-2024

OZININA FANODINANA VOKATRA

Apetraka isaky ny kaominina hanampiana ireo tantsaha

Sample post image

Saika voatetin'ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra

29-janv-2024

Edgard Razafindravahy ny tao amin'ny faritra Vakinankaratra tao anatin’ny 24 ora , nametrahana ireo ozinina fanodinana ny vokatra eny ifotony ao anatin'ny tetikasa Taninketsa Indostrialy. Raha ozinina iray isaky ny distrika iray no fanamby napetraka teo aloha dia paikady vaovao indray no atao amin'izao fotoana izao. Lohalaharana amin’ireny ny fametrahana ozinina isaky ny kaominina ka ao anatin'ny fanatanterahana izany tanteraka ny ministera. Anisan'ny nahazo ny anjara ny tao Antsirabe tampon-tanana. Milina fanodinana ny Paoma ho lasa cidre no naterin'ny ministra . Natao laharam-pahamehana izy ity taorian'ny fahitana ny zava-misy any an-toerana. Isan-taona tokoa mantsy, mahatratra hatrany amin'ny iray alina 10.000 taonina ny vokatra paoma ao Antsirabe isaky ny taom-pamokarana iray. Ny ankabeazan'ireo dia simba sy lo rehefa tsy lafo sy tsy misy mandray ny vokatra. Misy ihany koa fotoana, voatery mivarotra faty antoka ireo tantsaha noho ny tahotra amin'izay fahasimban'ny vokatra. Lasa miaina amin'ilay hoe aleo mihinana kely toy izay mandry fotsy ny rehetra. Amaha izay olana izay indrindra ny fisian'ity milina fanodinana ny paoma ho lasa "Cidre" ao an-toerana ity satria ao anatin'ny iray andro, paoma hatrany amin'ny 3 taonina no voahodiny. Ankoatra izay dia nidina mivantana nijery ireo tantsaha mihitsy ny Ministra ka anisan'izany ny tao Andranomanelatra sy ny manodidina. Mitovy ny olan’ireo tantsaha rehetra amin’ny ankapobeny. Be loatra ny mpanelanelana ka kely dia kely ny tombony azon'izy ireo. Misy amin'ireo tantsaha no mivarotra ny iray garaba ahitana paoma 20 hatramin'ny 25 kilao amin'ny vidiny 15.000 ariary, izany hoe manodidina ny 600 ariary eo ny kilao. Tsiahivina moa fa nahazo anjara milina fanodinana vokatra ihany koa ny tao Betafo. Milina fanodinana ny ovy no natolotra ho an'ireo tantsaha . Raha ny vokatra ovy manokana, ao anatin'ny taom-pamokarana iray, mahatratra hatrany amin'ny telo alina 30.000 taonina ny vokatra ovy any an-toerana. Misy amin'ireo vokatra koa anefa no simba sy tsy misy mandray ka izay indrindra no nametrahana ny taninketsa indostrialy ao amin'ity tanana ity.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo milina efa napetraka !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap