Tontosaina nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso ny andiany faha 4 amin’ny dinik’asa siantifika iarahana amin’ny Sekoly manomana Doctorat momba ny fitantanana ireo harena voajanahary sy ny fampandrosoana na «Ecole Doctorale Gestion des ressources naturelles et développement» atao eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo eny Ankatso. Lohahevitra tamin’ity ny hoe «Fitantanana araka ny tokony ho izy ireo harena voajanahary no mamaha ny olona fototry ny tontolo iainana.». Ny tanjona anatin’izao, hoy ny filohan’ny komity mpikarakara sady manam-pahaizana miandraikitra ny tena fitrandrahana ny harena voajanahary mba tsy hamotehan’izany ny rivotra, tany, rano, ny Pr Andrianarimanana Jean Claude, dia ny hanampy ireo tanora manomana Doctorat na ireo efa Dokotera ka miomana ho Profesora maneho sy mampiseho ny voka-pikarohany. Tokony hipetraka any amin’ny toera-pikarohana rehetra ny voka-pikarohana mba hahafahan’ny tanora koa mitrandraka sy manaraka ireny fikarohana nialoha lalana ireny hanampiany ny fanatontosany ny fikarohany, hoy izy. Ny sekoly Doktoraly mitantana ny harena an-kibon’ny tany sy harena voajanahary ho fampandrosoam-pirenena dia ny fifanampiana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo tompon’ny tetikasa amin’izay asa ataony fa raha vao tsy misy valim-pikarohana dia mandeha diso ny mpitrandraka sy ny mpiara-miombon’antoka. Ny voka-pikarohana miaro ny tontolo iainana, ny lafiny sosialy, lafiny koltoraly, indrindra, ny ara-toekarena satria amin’ny tetikasa mandeha rehetra dia ny toekarena no tena jeren’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpitrandraka. Rehefa tsy hay ny mitantana an’iny dia misy fiantraikany be dia be amin’ny tontolo iainana. Misy fahasimbana ny rano, tany, rivotra ka izany rehetra izany dia mila fitantanana, araka ny fikarohana. Betsaka ny voka-pikarohana ary izay no mampilahatra ny oniversiten’Antananarivo amin’ny oniversite rehetra eto Afrika. Ny olana dia avadiky ny mpiara-miombon’antoka manana ny vola sy fitaovana ny fomba hitrandrahana sy hitantanana ny harem-pirenentsika fa tsy manaraka ilay voka-pikarohana. Tsy misy hiraharahian’ireo mpiara-miombon’antoka afa-tsy ny fidiram-bola ho azy. Tsy raharahiany ny lafiny ara-tsosialy, tontolo iainana, koltoraly fa ny ara-toekarena ihany no trandrahany dia ny haka tanteraka ny harem-pirenentsika no ao an-dohany. Misy fifanarahana tokony harahana nefa ao fa tsy arahan’ny mpitrandraka. Miisa 59 eo ireo mpandray anjara amin’izao dinik’asa siantifika izao, raha ny fanehoana am-bava no resahina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija