airtel

Toekarena

24-juin-2026

Rakoto Andrianirina Fetison

"Afaka mahavita zavatra lehibe i Madagasikara"

Sample post image

Maro ny ezaka natao hanatsarana ny

24-juin-2026

famatsian-drano sy ny tolotra mifandraika amin'ny rano sy ny fahadiovana eto amintsika, tao anatin'ny volana maro izay, hoy i Rakoto Andrianirina Fetison, filoha nasionalin'ny antoko Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy na RDS. Na mbola maro aza ny fanamby sisa tavela, hoy ity farany, dia "tsy azo odian-tsy hita ireo vokatra efa tsapan'ny mponina any amin'ny faritra maro eto Madagasikara". Nampiany fa "rehefa misy ezaka miteraka vokatra azo tsapain-tanana, dia mendrika ny ho ekena sy hamporisihina izany". Izany no toe-tsaina ilaintsika amin'ny fitantanana ny raharaham-pirenena : mahay mankasitraka ny zava-bita, mahay manitsy ny tsy mety, ary mahay manohy ny fanatsarana. Ny rano dia tsy tombontsoan'olom-bitsy, fa zo fototra ho an'ny rehetra. Satria "ny tena tanjona dia tsy ny hahazoana dera, fa ny hahazoan'ny vahoaka tolotra tsaratsara kokoa isan'andro", hoy hatrany ity filoha mpiara-mitantana ny tetezamita ity. Koa raha misy lesona iray azo tsoahina amin'izao, dia izao : "rehefa mazava ny tanjona, voalamina ny asa ary arahina akaiky ny fanatanterahana, dia afaka mahavita zavatra lehibe i Madagasikara".
Nangonin'i Jean D.
Rakoto Andrianirina Fetison, filoha nasionalin'ny antoko RDS
 

Dans la même rubrique

21-juil-2026

Nidina ifotony tampoka tao amin'ny Fokontany

Card image cap