airtel

Toekarena

03-sept-2026

Fanitarana ny AGOA

hatramin’ny 2028

Sample post image

Nankatoavin’ny « Chambre des représentants » amerikanina

03-sept-2026

Nolanian’ny « Chambre des représentants » na ny depiote amerikanina ny volavolan-dalàna hanitatra ny AGOA hatramin’ny volana desambra 2028. Tao anatin’ny fanapahana ny 01 septambra 2026 teo, nahatratra 370 ny vato ho an’ny fanohanana raha 48 kosa no nanohitra. Tsy nisy fanitsiana, taorian’ny fankatoavan’ny Antenimierandoholona azy tamin’ny 8 aogositra. Ny dingana manaraka dia ny fankatoavan’ny filohan’i Etazonia Donald Trump vao tena ho tanteraka ny fanitarana sy fisitrahana ny AGOA. Vaovao lehibe sy mahavelom-panantenana izany, satria manome fitoniana sy fahitana mazava kokoa ho an’ireo mpanondrana malagasy ary manampy amin’ny fanamafisana ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola amin’ny tsena amerikana, hoy ny Minisiteran’ny Varotra sy Fanjifana. Navoitra fa mikendry isika ny hahazo fanitarana 10 taona fanampiny aorian’ny 2028, mba hanome faharetan’ny fahitana ara-barotra sy hanamafy ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Etazonia. Mbola mitana anjara toerana lehibe amin’ny toekarentsika ny fifanakalozana ara-barotr’i Madagasikara sy Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA. Araka ny tatitra ofisialy avy amin’ny USTR (Office of the United States Trade Representative) sy ny US International Trade Administration, ny fanondranana avy eto Madagasikara ho any Etazonia dia mitentina eo anelanelan’ny 250–700 tapitrisa dolara isan-taona, miankina amin’ny vokatra sy ny taona. Ny sehatra fitafiana no lohalaharana, ka mahatratra USD 264,9 tapitrisa ny vokatra nalefa tany Etazonia tamin’ny enim-bolana voalohan’ny 2026, raha 18,1 tapitrisa dolara kosa ny vokatra avy any Etazonia niditra teto Madagasikara. Ny indostrian’ny lamba no tena miankina amin’ny AGOA, izay misy orinasa 150 mahery anatin’ny “zone franche”, asa mivantana 100 000. Raha ampidirina ny asa ankolaka toy ny fitaterana, lozistika ary fanondranana, dia mahatratra 250 000 asa no miankina amin’ny AGOA. Raha tsy misy ny fanitarana, tombanana fa mety ho very asa mivantana 60 000 ny ao amin’ny EPZ (Export Processing Zone) na faritra manokana ho an’ny fanondranana. Ankoatra ny fitafiana, ny lavanila sy ny hazan-dranomasina no anisan’ny vokatra aondrantsika amin’ny alalan’ny AGOA. Ara-politika sy jeopolitika, isan’ny hiadian’ny Amerikanina mafy eto amintsika ny famelana malalaka ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany toy ny Vara Mada izay tetikasa iasan’ny bekintana amin’ny alalan’ny Energy Fuels.
Toky R


 

Dans la même rubrique