Mpanohana ofisialin’ny andiany faha-27 amin’ny hetsika iraisam-pirenena momba ny toeram-ponenana na ny Salon International de l’Habitat 2026, izay hatao eny amin’ny CCI Ivato ny 22-25 oktobra, ny Groupe Filatex amin’ny alalan’ny Filatex Properties. Hampahafantatra ireo tetikasa vaovao toy ny Hermès Appartements eny Ambatobe sy Eden Villas eny Ankorondrano, ary koa ireo vahaolana ho an’ny orinasa toy ny One Business Platform sy ny faritra indostrialy Colina. Ao anatin’ny lohahevitra hoe « Madagascar en mouvement : imaginer et construire les espaces de demain », manasongadina ny maha zava-dehibe ny fananganana toerana fonenana sy iasana manara-penitra ny Filatex Properties, manoloana ny fitomboan’ny filàna ateraky ny fivoaran’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Trano fonenana, birao ary sehatra indostrialy mifanaraka amin’ny fenitra maoderina no heverin’ny orinasa fa isan’ny fanalahidy hanatsarana ny kalitaom-piainan’ny mponina sy hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena. Hatramin’ny nananganana azy tamin’ny taona 2012, naneho fa isan’ireo orinasa nandray anjara tamin’ny fampidirana fenitra vaovao eo amin’ny trano fonenana maoderina ny Filatex Properties. Anisan’ny tetikasa nametraka izany mari-pamantarana vaovao izany ny Tamarindo, Ventana ary Alhambra, izay nampiditra endrika sy kalitaom-piainana vaovao teo amin’ny sehatry ny fonenana avo lenta. Nitohy tamin’ny Eden, ahitana trano fonenana enina sy trano T3 miisa 48 natolotra tamin’ny taona 2020, ny Alhambra Gallery,... Ankehitriny dia efa manodidina ny 100.000 m2 ny velaran-tany fonenana sy ara-barotra vita fanorenana tantanan’ny Filatex Properties. 190.000m2 mahery kosa ireo tetikasa eo am-pamolavolana, raha tombanana ho 5.000 eo ho eo ny asa mivantana sy ankolaka efa noforonina vokatry ny asa fanorenana. Araka ny nambaran’i Virginie Sachot, Head of Filatex Properties, tanjon’ny orinasa ny hanandratra ny kalitaon’ny toeram-ponenana sy toeram-piasana amin’ny alalan’ny fanomezana habaka mampifandanja ny tontolo iainana, ny hakanto ary ny fahafaha-mampiasa azy. Manoka-barabarana ho an’ireo mpitsidika, ny mpandraharaha ary ny mpampiasa vola ny ekipan’ny Filatex Properties mandritra ny hetsika.
Toky R