airtel

Toekarena

08-déc-2021

Toekarena

Rakotoarisoa Hery Lanto - GEFP “Tokony tohanana sy ampiana ireo orinasa afaka haba”

Sample post image

Tontosa omaly teny amin’ny Novotel Alarobia ny hetsika mifandraika amin’izany, notronin’ireo tompon’andraikitra maro.

08-déc-2021

Nisy araka izany ny fizaran’ity tompon’andraikitra ity ny olana sedrain’ny orinasa afaka haba eto amintsika. Anisan’ny tena nitarainany mafy ny hevitry ny fanjakana mikasika ny lalana mifehy azy ireo. Raha mahazo alalana, 2, 5 ka hatramin’ny 15 taona mantsy ireo orinasa afaka haba teo aloha dia mihena ho 1, 2 ary 10 taona izany ankehitriny izay tsy fantatra mazava ny antony. Ireo efa misy eto amintsika hoy izy tsy fantatra izay mety hiafarany, ireo te-hiditra ihany koa sahiran-tsaina. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fampihenan-ketra tokony ho azon’izy ireo nefa toa mijanona ho resabe fotsiny ary alohany toy ny mahazatra foana ihany. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny olan’ny GEFP araka izany ny filohany. Mamelona ankohonana maro mantsy ity sehatra iray ity eto amintsika ka mendrika ny hotohanana sy ampiana.
Pati
Legende : Rakotoarisoa Hery Lanto, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny GEFP
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap