airtel

Toekarena

18-mars-2024

Rakotondrazafy Justin

«Latsaka an-katerena Antanifotsy»

Sample post image

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy omaly fa kandida solombavambahoaka

18-mars-2024

ao amin’ny distrikan’Antanifotsy i Rakotondrazafy Justin na Zisy Fanavotana. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nofidiany hitrotroana am-bavaka izany filatsahan-kofidiana izany. Mirafitra kaominina miisa 14 ny distrikan’Antanifotsy, hoy izy. Ny ben’ny tanana miisa 11 no nisafidy ny tenako ho arotsaka ato Antanifotsy. Latsaka an-katerena ny distrikan’Antanifotsy. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny lalana izay lalan-dràn’ny kaominina. Nisy raiamandreny izao ny maraina teo (TTF : omaly maraina) no maty an-dalana noho ny tsy fisian’ny fitaterana satria tsy nahatratra hopitaly. Mampalahelo izany ary na atao hoe tsy mpanao lalana aza ny solombavambahoaka dia mba afaka mitatitra ny marary ny vahoaka sy manao lalàna mifandraika amin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Légende : Rakotondrazafy Justin mivady, notsofina rano teny Antanifotsy
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap