airtel

Toekarena

12-août-2022

Toekarena

Sehatry ny harena an-kibon’ny tany Hasarotina hiliban’ny mpanao mafia?

Sample post image

Namoaka serasera ny Fanjakana miantso ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany arakaraka ny tanjony,

12-août-2022

hanaovana “Fakan-kevitra momba ny fanatsarana ny fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’n tany”. Hisy ny fakan-kevitra ataon’ny Minisitera ao anatin’ny harena an-kibon’ny tany manomboka amin’io herinandro io. Tao anatin’ny taona maro tsy nety vitan’ny Fanjakana ny fehezan-dalàna na ny “code minier”, hasarotina hatrany ka asa hoe: mba hifehezan’ny olom-bitsy ve ka rendrika tanteraka ny mpisehatra. Ny atotan-taratasy hasarotina, izay mitarika makany amin’ny kolikoly goavana ary miteraka ampihimamba ho an’ireo izay hiangarana. Raha iriantsika ny hanome asa Malagasy maro ka te hampidina ny sandan’ny vola vahiny, dia andao hamoraina ny fomba fanondranana mba ialana amin’ny fiangarana, hoy ny fanehoan-kevitra. Ny volamena, ohatra, efa ny oktobra 2020 no naato ny fahafaha-manondrana ara-dalàna, saingy ny trafika mandeha foana, manjavona hatramin’ny mipirina any anaty minisitera,… Olona ambony tahaka ny minisitra, depiote, vadina loholona,… no isan’ny voatonontonona, ary misy aza moa tratra ambodiomby. “Ny olanay ankehitriny, natao ny fakan-kevitra, ny fahalalanay azy, efa misy sarintsarina “code minier” nataon’ny Fanjakana izay mbola tsy nozaraina tamin’ny mpisehatra. Matahotra sao ho sarin’ady fotsiny fa tsy fandinihana izay vina sy hitanay hanatsarana azy”, hoy ireo mpisehatra. Sao dia tokony hozaraina aloha izay volavolan-dalàna efa noeritreretin’izy ireo. Sady tsy mampandany fotoana, ahafahana mijery ny hoe: inona no mety, ary inona no tsy mety? Hoy izy ireo, izay naneho fa raha toa kosa ka sady tsy mahatsara ny mpandraharaha sy firenena, dia tokony hofampidinihana. Ny resaka fanondranana “pierre de taille”, “pierre de carrière”, ny fasika, ny moellon, manana an’izany isika, maro ny filana na aty amin’ny ranomasina indianina fotsiny aza, kanefa banga ny lalàna, tsy afaka hanondrana. Tsy afaka mitrandraka, izay mahitahita no mahazo fahazoan-dàlana. Tsy mamela ny fahafahana mampiasa fitaovana vaventy ny mpitrandraka mpitrandraka madinika ny lalàna. Nahatratra 7000 teo aloha ny fahazoan-dàlana ho an’ny mpitrandraka madinika, kanefa 15 izany sisa ankehitriny. Betsaka ny entana tsy azo haodina, tsy azo haondrana, tsy azo kirakiraina noho ny tsy fisian’ny “permis miniers”. 12 na 13 taona aty aoriana tsy misy, tao anatin’ny herintaona ny Fanjakana tsy namoaka “laissez-passer” intsony ka tsy afaka mampiasa. Tokony hampiharina aloha ny “code minier” ankehitriny ahafahana miasa, hoy ireo mpisehatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap