airtel

Toekarena

18-nov-2021

Toekarena

Seranam-piaramanidina Ravinala Airports Ivato Hotokanana amin’izay ny « Terminal » vaovao ?

Sample post image

Nifandamina amin’ny Consortium Français Ravinala Airports ny Fanjakana Rajoelina taorian’ny fifanolanana nandritra ny roa taona, raha ny lahatsoratry ny fampahalalam-baovao vahiny iray. Ity orinasa ity izay mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be

18-nov-2021

, izay tafiditra anatin’ny fifanarahana amin’ny ADP (Aéroport de Paris teo aloha) sy ny Fonds Meridiam. Tao anatin’ny roa taona, dia nahemotry ny Fanjakana hatrany ny fitokanana ny “Terminal” vaovao ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, izay mety hotokanana amin’izay ato ho ato, raha ny voalazan’io fampahalamam-baovao io. Ny Bouygues sy ny Colas moa no nanao ny fanamboarana. Voalaza fa heverina ho avy hanatrika izany ny Filoha Tale Jeneralin’ny Meridiam Thierry Déau sy minisitra Malagasy maro, ka isan’ny voatonona ny anaran’ny Minisitry ny fizahantany Joël Randriamandranto, ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto, ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina,… Hatreto voasokajy ho misalasala amin’ny fanatrehana izany ny Filoha Rajoelina satria ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina moa no angady nananana sy vy nahitana an’ity tetikasa goavana ity. Nanomboka ny jona 2021 ny fifandresen-dahatra sy ny famitranam-pihavanana teo amin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny Ravinala Airports, ka tafiditra tao anatin’izany ny fitsidihana tany Frantsa nataon’ny Minisitry ny fizahantany, niaraka tamin’ny olona akaiky ny fitondrana dia ny mpandraharaha matanjaka iray manana petra-bola ao amin’ny orinasa izay miantsoroka ny fitandroana ny filaminana amin’ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara. Nambara fa tafiditra tao anatin’ny fanamafisana ny rohy tamin’ny Ravinala io ihany koa ny fihaonan’ny Filoha tamin’ny mpandraharaha Frantsay maro ny aogositra 2021 teo tany Frantsa. Vinavinaina hisy ny fifanarahana, ka tombanana hiakatra ny haban-tseranana hiditra amin’ny Fanjakana, mety ho tonga amin’ny fanalefana trosa 5 tapitrisa dolara an’ny Air Madagascar,… Nanaovan’ny Parlemanta fanadihadiana moa ity raharaha Ravinala Airports ity, ka nilazana fa tsy maintsy mandoa 24euros isaky ny mpandeha miditra sy mivoaka ao anatin’ny 28 taona, izay nanaovan’ny depiote kiana mafy. Asa hanao ahoana marina ny tohiny sy ny tena ho endriky ny fifanarahana raha hisy tokoa ny fanavaozana?
(Tahirin-tsary)
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap