tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Toekarena

Seranantsambon’I Toamasina Isan’ireo mampiditra vola be indrindra

Isan’ny mbola olana goavana ho antsika eto Madagasikara ny fampidiran-ketra sy haba, isan’ny miantoka ny fampiodinana ny raharaham-panjakana.

28-oct-2022

Sample post image

Hatreto, isan’ireo mbola mitana ny laharana voalohany amin’izany ny fadin-tseranana, indrindra fa ny seranantsambon’I Toamasina izay tantanin’ny SPAT (Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina). Ny 85% amin’ny entana miditra eto Madagasikara, dia miainga ao Toamasina avokoa, izay manamafy fa mitana anjara toerana goavana ho an’ny toekarena Malagasy ny fisian’ny seranantsambo izay tantanan’ny SPAT, ary voasokajy ho orinasam-panjakana mamelona ara-bola ny Fanjakana. Raha ny antontan’isa navoakan’ny Fadin-tseranana tamin’ny volana novambra 2021, nahatratra 96% ny tahan’ny fampidiram-bola tao anatin’ny 10 volana voalohany tamin’ny taon-dasa, ka nampiditra 2462 miliara tany ho any, izany hoe manodidina ny 2500 miliara Ari izany tao anatin’ny herintaona, raha toa ka 25% kosa ho an’ny taona 2020 noho ny krizy ara-pahasalamana sy ara-toekarena niainan’izao tontolo izao. Voalaza moa, fa nanafatra Scanner miisa roa ny fadin-tseranana Malagasy nentina nanatsarana ny asa, ary efa am-perinasa nanomboka ny volana may 2022 teo, raha raisina amin’ny tetiandro nofaritana. Manafaingana ny famoahana entana io sy ny fikirakirana ara-panjakana samihafa ao amin’ny seranantsambo io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ala nenina farany ilay BTS Mety hamidy ny Jirama raha tsy tafavoaka…
02-juin-2023

Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena

Card image cap
Banky sy MVola Lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola
02-juin-2023

Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na

Card image cap
Tsenabe ho an’ny fetin’ny reny Nisokatra omaly ny la grande braderie de Madagascar
02-juin-2023

Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny

Card image cap
Fifanakalozana ara-barotra eto Afrika Fanamby ny hahatanterahan’ny ZLECAF
01-juin-2023

Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana

Voir plus