miasa mahitsy anatin'ny mangarahara ary lavitry ny kolikoly" ny fametrahana "Système d'Information" (SI) matanjaka sy voaaro tsara. Araka fampahafantarana tao amin’ny pejin-tseraseran’io rafitra ara-bola io, tontosa omaly alarobia 08 Febroary maraina ny fanehoana tamin'Atoa RAJAOFETRA Andry Nirina , Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana sy ireo Tale mpiara-miasa aminy ary ireo tompon’andraikitra samihafa voakasik'izany eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny vokatry ny fitsirihana lalina na "Audit" nataon'ny Security System Consulting (SSC Tunisie) izay novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola tamin'ny alalàn'ny tetik'asa PRODIGY (Projet de gouvernance digitale et de gestion de l’identité Malagasy). Natolotr'ireto iraka ireto tamin'izany ihany koa ny drafitr'asa "Plan d'Actions" ho fanatsaràna ny rafitra sy ny « SI » misy ankehitriny. Nambara fa tsy mijanona hatreo ny asan'izy ireo fa mbola hitohy amin'ny fametrahana ny "Manuel de sécurité du SI" sy fanaovana atrik’asa fanentanana ny mpiara-miasa rehetra ny amin'ny fiovana aterak'izany, ato anatin'ny enimbolana voalohan'ity taona ity.
Toky R
Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa