airtel

Toekarena

31-août-2021

Toekarena

Taorian’ny ampamoaka goavana Nandamin-dresaka ny Minisitry ny vola

Sample post image

Nanome toky ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa hisokatra sy hanohy ny dinika fanatsarana sy fandaminana anatiny, hoy ny vaovao nivoaka omaly.

31-août-2021

Eo am-piandrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneraly vaovao ny Tahirimbolam-panjakana, toerana izay banga nanomboka ny alarobia 18 aogositra 2021 ka nampikatso tanteraka ny fikirakiram-bolam-panjakana, ankoatra ny fandoavan-karama. Nihaona tamin-dramatoa Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, ireo lafin-kery rehetra teo anivon'ny Tahirimbolam-panjakana omaly ka voalaza fa ho fanatsarana ny Tahirimbolam-panjakana no antony, ary nambara ihany koa fa samy nahatsapa ny andaniny sy ankilany fa mila arenina ny Tahirimbolam-panjakana. Anisan’ny noresahana tao ny fanovana ireo lalàna mifehy ny mpitahiry ny volam-panjakana, izay efa nambaran-dRamatoa Minisitra tamin'ny nandraisany toerana fa ho tafiditra anaty laharam-pahamehany. Nanome toky Ramatoa Minisitra fa hisokatra sy hanohy ny dinika fanatsarana, fanovana sy fandaminana anatiny. Noraisin-dRamatoa Minisitra ihany koa ireo SMMV, fivondronan'ny Sendika rehetra eo anivon'ny Ministeran'ny Toekarena sy Fitantanam-bola. Nanamafy ny maha-zavadehibe ny fifampiresahana anaty fiaraha-monina sy eo amin'ny samy mpiara-miasa ireto fivondronan'ny Sendika ireto, izay tsy nametrahan-dRamatoa Minisitra olana fa vonona izy hihaino sy hifandinika, hoy hatrany ny vaovao. Tsara ny manamarika, fa ny herinandro teo, nirarakopana ny ampamoaka momba io Minisitra io, toy ny hoe : ny vadiny izay efa lasa niasa any amin’ny CNaPS mbola nisitraka karama be tao amin’ny tahirimbolam-panjakana, ny olona efa nalefany hiasa any amin’ny Banky iraisam-pirenena mbola tsy notapahana ny karamany,… Tsy nisy ny fandisoana ofisialy an’ireny hatreto. Ny re kosa dia voalaza fa notapahina ny ROHI na ny « Application de gestion du personnel » eo anivon'ny ministera ; izay ahitana ny mombamomba ny mpiasa tsirairay avy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap