Lasa adihevitra eo amin’ny sehatra politika sy sosialy ary ny toekarena indray ny raharaha tetibolam-panjakana 2026. Mitentina 26.799,7 miliara ariary ny tetibola manontolo ho an’ny LFI 2026, araka ny antontan-kevitra ofisialin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Voafaritra ny fisiana fitomboana ho an’ny tetibolan’ny Antenimierampirenena sy ny ministera sasany, raha nihena kosa ny an’ny hafa toy ny fanabeazana sy ny fambolena ary ny fiompiana, sehatra heverin’ny maro ho fototry ny fampandrosoana maharitra. Araka ny tarehimarika nivoaka, niakatra avy amin’ny 76,8 miliara ariary ho 89,8 miliara ariary izany hoe nisy fitomboana 13 miliara Ar eo ny tetibolan’ny Antenimierampirenena, raha nidina avy amin’ny 2.315 miliara ariary ho 2.183 miliara ariary ny an’ny Fanabeazam-pirenena, ary avy amin’ny 957,5 miliara ariary ho 922 miliara ariary ny an’ny Fambolena sy Fiompiana. Nisy sehatra hafa nahazo fampiakarana goavana, toy ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina izay niakatra avy amin’ny 61,6 miliara ariary ho 289,4 miliara ariary. Niakatra koa ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Angovo (646 miliara Ariary) izay lojika. Tahaka izany ihany koa ny an’ny Minisiteran’ny Atitany (421,3 miliara Ariary), raha nihena kosa ny an’ny CENI. Ara-toekarena, kendrena ny fitomboana 4,8 % amin’ity taona ity, ary ny fidiram-bola avy amin’ny hetra sy fadin-tseranana dia tokony hahatratra 11,7 % amin’ny PIB. Tafiditra ao anatin’ny fanapahan-kevitra lehibe ny fampakarana karama 14 % ho an’ny mpiasam-panjakana manomboka amin’ny janoary 2026, ny fampidirana mpiasa vaovao 13.274, ary ny fanitsiana IRSA ho 25 % ho an’ny mpiasa mahazo mihoatra ny 4 tapitrisa ariary isam-bolana. Nisy fanapahan-kevitra hafa manan-danja toy ny ny fitazonana ny TVA 20 % amin’ny varimbazaha, ny fanesorana hetra amin’ny fitaovana ara-pambolena, ary ny fiakaran’ny « accise » amin’ny labiera ho 850 ariary/litatra. Raha jerena amin’ny ankapobeny, manome lanja ny sehatra angovo sy rano ny Fanjakana ary mety efa manomana ireo lafin-javatra mifandray amin’ny politika sy ny sosialy raha toy ny raharaham-pifidianana. Mbola ambany kokoa kosa ny tetibola voatokana ho an’ny fanabeazana sy ny fambolena ary fahasalamana raha oharina amin’ny filàna sy ny fanamby lehibe ho an’ny Firenena. Mahavalalanina ihany koa ny mikasika ny adihevitra momba ireo lalàna hafahafa toy ireo haba alaina amin’ny fiara mandeha maotera na « TVM » izay toa tsy hitan’ny depiote ka aty amin’ny LFR vao lasa fanamby ny hoe : hofoananay, kanefa ny resaka tetibola sy tombotsoan’ny depiote nanaovana fivoriana nikaton-trano mihitsy teo anatrehan’ny fampihenana tany am-piandohana ?
Toky R