airtel

Toekarena

09-juin-2022

Toekarena

Toby famokarana herinaratra Sahofika Nekena ny 30 tapitrisa euros anjaran’ny Fanjakana

Sample post image

Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena omaly 8 jiona 2022 ny volavolan-dalàna laharana faha-001/2022 tamin’ny 27 janoary 2022

09-juin-2022

« autorisant la ratification de l’accord de financement relatif à la participation de l’Etat Malagasy au capital de la société NEHO/projet Hydroélectrique de SAHOFIKA » nosoniavina ny 10 jiona 2020 teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny « Fonds Africain de Développement BAD/FAD». Mitentina 17.054.970.282 Ariary ny vola hindramina ka haverina afaka 40 taona ary hanamboarana fotodrafitrasa hanatsarana ny famokarana herinaratra. Marihina fa 30 tapitrisa euros ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana Malagasy amin’ity tetikasa ity, izay nambaran’ny Minisitry ny angovo fa ahafahan’ny fanjakana ho afaka mahita 100% ny zavatra mitranga ao anatin’ny orinasa. Raha tsy izay dia miandry izay tatitra ataony fotsiny. Hamokatra herinaratra 192MGW ary mety hiitatra hatrany amin’ny 300MGW i Sahofika. Tsara kosa ny manamarika fa efa tany amin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina no niketrehana ity tetikasa ity, mahatratra 900 tapitrisa euros eo ny teti-bidiny, haharitra 5 taona ny fanatanterahana asa, tokantrano manodidina ny 1,6 tapitrisa ahitana olona manodidina ny 8 tapitrisa no hisitraka azy.

HAMAHA NY OLAN’NY JIRAMA…
“1100Ar eo ny heonti-manan’ny Jirama amin’ny 1kwh, kanefa 540Ar no hivarotana azy, izany hoe: very 500Ar isaky ny Kwh. Lojika raha manao fanetsenam-bidy na “subvention” nyny Fanjakana, fa rehefa tanteraka ny tetikasa Sahofika, dia latsaky ny 300Ar na latsaky ny 250Ar/kwh izany hoe: mahazo tombony manodidina ny 200Ar ny Jirama”, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson omaly teny amin’ny antenimieram-pirenena.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap