airtel

Toekarena

23-juin-2023

Toekarena

Toekarem-pirenena tao anatin’ny 63 taona

Sample post image

Manahirana ny fandraharahana fambolena sy fiompiana

23-juin-2023

63 taona niverenan'ny fahaleovantena isika izao, araka ny nivoizan’ireo mpitondra nifanesy teto azy tao anatin’izay repoblika miisa 4 izay. Tsy misy izay tsy miaiky anefa ankehitriny fa nitotongana ny toekarem-pirenena ary matetika heno miverina koa ny hoe tsy mahaleotena ara-toekarena ilay firenena. Niha nahantra ny malagasy. Anatin’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Ataon'ny olona fakàna akora fotsiny, hoy ny mpanohitra ny fitondrana. Tsy mahavita tena ara-tsakafo hatramin’izao. Inona no antony? Inona no tokony atao? Mizara ny heviny ny mpahaitoekarena.
JEAN JACQUES RATSIETISON, MPAHAITOEKARENA
«Na iza na iza milaza azy hanala ny fahantrana, hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, hampiakatra ny fahefa-mividin'ny malagasy, hanafoana ny kolikoly sy ny tsy fandriam-pahalemana dia mijanona ho fampanantenana poakaty ihany izany raha ny rafitra fampahantrana sy mangeja ny firenena no tsy foanana. Izay no antony tsy ahasahian'ireo izay milatsaka ho filoham-pirenena manao fifamatorana amin’ny vahoaka, mametraka taratasim-pialana mialoha any amin’ny HCC toy ny nataon'ny kandida natolotry ny FMI Malagasy na Fahefa-mividy no ilain'ny malagasy tamin’ny 2018. Averinay foana fa mila foanana ny «flottement» na MID izay tsenabe fifanakalozan'ny banky vola vahiny hiverenan'ny fiandrianam-pirenena amin’ny vola. Tsy ilaina intsony ny manao androrosy mitady vola vahiny na famatsiam-bola avy any ivelany hividianana ny vola malagasy Ariary any amin’ny MID vao afaka hanam-bola hietsehana. Averina ny tahabola tsy miovaova. Ampiakarina 200% ny sandam-bola hidinan'ny vidin'entana rehetra hafarana avy any ivelany amin’ny ampahefany ahatonga ny karama tsy ho TDL na Tonga dia lany intsony fa ho lasa mahavelona. Averina ny famoaham-bolan'ny repoblika malagasy na «Institut d'émission Malgache». Rehefa tanteraka ireo vao azo ary tokony atomboka satria ho tena vahaolana ny fampiakarana mahery vaika ny famokarana na «Relance massive de la production» ka voalohany hanatanterahana izany ny fanamboarana ny toha-drano rehetra manerana ny nosy. Famahana aingana ny olan'ny rano any amin’ny tapany atsimon'i Madagasikara. Fanamboarana rarivato ny lalankely sy ny lalana rehetra manerana ny nosy latsaky ny 30 km. Raha ireo fotsiny no atao dia tonga amin’ilay lazain'ny FMI malagasy hoe ny asa no hitady olona fa tsy ny olona intsony no mitady asa. Aoka isika tsy atao fitaovana hiarovana ny tombontsoa manokan'ny olom-bitsy ao ambadiky ny MID.»
NATHANAEL RAHARIVELO, MPAHAITOEKARENA, MPIKAMBAN’NY CREM
«Firenena «à vocation agricole» i Madagasikara, izany hoe midadasika eto amintsika ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary mampiasa sy iveloman’ny olona maro. Raha misy kandida tsy miresaka izany amin’io fampielezankevitra fifidianana filoham-pirenena io dia efa misy fanadinoana vahoaka maro izany ao aminy. Tsy izay praograman’asa momba izany koa anefa dia mety handaitra daholo satria tsara ho fantatra fa mbola manahirana ny fandraharahana amin’io sehatra io eto Madagasikara. Tsy afaka miresaka sehatra fampiroboroboana na fampandrosoana sehatra iray raha tsy miresaka finiavana politika. Tokony ho voafaritry ny kandida ao ny politika ankapoben’ny fanjakana kasainy ho atao rehefa lany fa indrindra mifanindran-dalana amin’ny praograma momba ny fambolena sy fiompiana ary tontolo ambanivohitra amin’ny ankapobeny. Ny fandrindrana izay no tokony voalohany apetrany anaty lalàna na fehezan-dalàna isan-karazany. Raha misy kandida tsy manana finiavana hanazava izany amin’ny alalana politika mazava dia efa fambara izay. Tokony hazava tsara koa ny rafitra hanatanteraka azy io na eo anivon’ny foibe na faritra tsirairay avy. Sarotra ny hino ny ho fanatanterahana ilay politika raha resahan’ilay kandida an-jambany fotsiny rehefa tsy mazava ny rafitra sy enti-manana isam-paritra sy an’ny fanjakana foibe.»
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa

Card image cap