airtel

Toekarena

20-déc-2022

Toekarena

Tohana ara-bolan’ny FMI Hahazo 3 miliara dolara i Ghana, mba ahoana i Madagasikara ?

Sample post image

Nankatoavin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena FMI ny herinandro teo ny “plan de sauvetage” mitentina 3 miliara dolara be ho an’i Ghana.

20-déc-2022

Findramam-bola sady tohana ho an’ity firenena ity izy io. An-dàlana ny fanapahan-kevitra eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny FMI, ka ahafahan’i Ghana mandresy ny faharefoan’ny toe-bolam-bahoaka io, fa indrindra ho tosika ho an’ny volam-pirenena. Tanjona ny hisian’ny fitoniana ara-toekarena. Notaterina tao anatin’io ihany koa ny fahazoan’I Madagasiara 31,9 tapitrisa dolara, araka ny fanapahana noraisin’ny FMI ny tapaky ny volana septambra teo, izay efa nanaovan’ny Fanjakana serasera. Tafiditra amin’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit), izay hanampiana ny filàna ara-bola anatiny sy hanampiana ny tetibolan’ny firenena io, tafiditra tao anatin’ny “deuxième revue” an’ny fandaharan’asa ara-toekaren’I Madagasikara ao anatin’ny FEC. Nampiakatra ho 159,7 tapitrisa dolara ny famoaham-bola efa azon’I Madagasikara io. Raha ny serasera tany amin’ny volana febroary tamin’ity taona ity, hahatratra 320 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azontsika anatin’ny FEC. Toa mitsitaitaika tanteraka anefa izany. Metsy betsaka io raha ny firesahana sy ny serasera momba azy, kanefa bidika dia bitika ny vola azon’I Madagasikara, raha ampitahaina amin’ny an’ny firenen-kafa. Nahoana ny olona no 3 miliara dolara kanefa ny antsika 400 miliara dolara raha be indrindra? Sarotiny amin’ny resaka fampindramana sy fanohanana ara-bola ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI ka tsy hamoaka vola fahatany ka hoe: izay mangataka dia mahazo. Vao famatsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola na rafitra ara-bola mahazatra na firenena ao anatin’izay rafitra izay, dia mikaonty foana ny resaka ady amin’ny kolikoly, Fanjakana tsara tantana, demokrasia,… Porofo iray mivaingana iny an’ny MCC (Millenium Challenge Corporation) iny, izay nanaovan’ny Mpitondra Malagasy serasera goavana fa hoe: tafaverina ho afaka hisitraka ny tohana ara-bola, kinanjo tsy tao anaty lisitra, mbola an-dàlana, mbola misy fepetra takiana,… Toa mbola taratry ny tsy fisian’ny fitokisana betsaka ho an’ny mpitondra ankehitriny izao, indrindra fa ny raharaha 2009, mbola mitohy amin’ny endrika kolikoly sy afera maloto samihafa izay matetika mahasaringotra mpitondra ambony,… Eo ihany koa ny olana amin’ny mety ho tsy fahafehezana ny diplaomasia sy ny fahaiza-mandresy lahatra ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Mbola misy azo hantenaina betsaka amin’izao fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina izao ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap