airtel

Toekarena

09-mai-2023

Toekarena

Tohana ara-bolan’ny FMI Miandrandra fatratra ny FEC 4 ny Fitondrana

Sample post image

Taorian’ny Praiminisitra, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina indray no nandray ireo delegasiona avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay notarahin'ny Talen’ny Departemanta Afrika,

09-mai-2023

Andriamatoa Abebe Selassie, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 7 mey 2023 tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Noresahana nandritra izany fihaonana izany moa ny fivoriana tombana andiany faha-4 (4ème revue) momba ny FEC (Facilité Elargie de Crédit). Anisan’ny hodinihana amin'izany fivoriana tombana izany ny fomba fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana (exécution budgétaire) sy ny fijerena ny fampidiram-bolam-panjakana, indrindra mikasika ireo vola avy amin’ny mpandraharahan’ny solika, araka ny tatitra. Notsipihan'ny Filoham-pirenena fa tao anatin'izay efa-taona izay ny Governemanta dia nanamafy ny fisian’ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka amin'ny alalan'ny fananganana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy toy ireo sekoly sy efitrano fianarana, ny oniversite, ireo hopitaly, ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara, ary farany teo ny fanombohana ny pipeline Efaho. Nambara tao amin’ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika, fa nidera manokana ny Fitondram-panjakana malagasy moa ity Talen’ny FMI ity tamin'ireo asa maro be notanterahina na dia nisy aza ny valanaretina. Notsipihany ihany koa tokony hanamafisana bebe kokoa ireo ezaka momba ny fampandrosoana ny fambolena. Nifampiresahan'ny roa ihany koa ny hahafahan'i Madagasikara misitraka ilay “Fonds Fiduciaire pour la Résilience et la Durabilité » na FFRD avy amin’ny FMI, izay natao hamatsiana ireo fanavaozana mila hatao mba ahafahan’ny firenena manana fahafaha-miatrika bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro. Nambara ihany koa ny maha isan’ny firenena afaka misitraka (éligible) an’i Madagasikara noho ny efa fananantsika ny antsoina hoe lasitra ara-toekarena mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro, hoy hatrany ny tatitra. Amin'ny 12 may ho avy izao no mifarana ny fivoriana tombana andiany faha-efatra izay dingana ihany koa amin’ny fifampiresahana momba ny programma FFRD amin’ny volana oktobra - novambra 2023, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap