airtel

Toekarena

05-mars-2024

Tontolon’ny fandraharahana

Hiditra amin’ny andiany faha 3 ny «Mon idée, mon entreprise»

Sample post image

Nampahafantarina omaly ny fisokafan’ny fisoratana anarana amin’ny andiany faha 3

05-mars-2024

amin’ilay fifaninanana mitondra ny lohateny hoe «Mon idée, mon entreprise», izany hoe «Heritreritro, orinasako», raha adika malalaka. Hatramin’ny faha 20n’ity volana martsa ity, raha ny fampitam-baovao no azo andraisana ny fisoratana anarana. Ny 24 martsa kosa no fara-fametrahana ny antotan-taratasy rehetra ilaina amin’ny maha mpifaninana. Miisa 5 karazana kosa ireo loka omena ireo mpandray anjara misongadina. Ao ny loka ho an’ny hevitra tsara indrindra. Ny faharoa ho an’ny vehivavy miavaka. Ny faha 3, ny fikarohana miavaka. Ny faha 4 ho an’izay nankafizin’ny mpitsara ary faha 5, ho an’izay nankafizin’ny mpanotrona. Araka izay anarany izay moa dia natokana ho an’ireo manana heritreritra handraharaha na efa mpandraharaha saingy nandalo oniversite kosa ny fifaninanana. Misy ny natokana ho an’ireo mpianatra mpikaroka ary misy kosa ny natokana ho an’ireo mpianatra manao «doctorat». Ny AUF na sampan-draharaha frantsay misahana ny oniversite kosa no tompon’antoka feno amin’ny fikarakarana ka dia any amin’ny foibe misy azy ireo toy ny etsy Faravohitra na ny tranokalam-pifandraisan’izy ireo, araka izany, no ahitana ny andinindininy momba ity fifaninanana ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap