airtel

Toekarena

26-janv-2024

Tontolon’ny indostria

Hifanome tanana amin’ny MIC ny ONUDI

Sample post image

Hifanome tanana amin’ny MIC ny ONUDI amin’ny fitadiavana ireo mpanosika

26-janv-2024

tetik'asa matihanina (développeurs) hampandehanana haingana ireo Taninketsa Indostrialy sy ireo vala indostrialy, hoy ny fampitam-baovao. Nambara fa mihazakazaka ny Minisitera (MIC) amin'ny asa fampiroboroboana ny indostria, iray amin'ireo fanoitran'ny fampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mandritra ity fe-potoam-pitondrany faharoa ity. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny Minisitera ny Rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana ny Indostria ONUDI, hoy ny serasera. Hanampy ny MIC, araka izany, eo amin’ny fitadiavana sy fametrahana ireo mpanosika tetik'asa matihanina hisahana ny fampandehanana ny Taninketsa Indostrialy sy ireo vala indostrialy ho apetraka manaraka eo ny ONUDI. Nandritra ny fihaonan’ny Solontenan’ny ONUDI eto Madagasikara, Volatiana Rakotondrazafy, sy ny mpiara-miasa aminy tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly Alakamisy 25 janoary 2024 tetsy Ambohidahy no niarahan’ny roa tonta nanoritsoritra ireo fifanomezan-tanana ho fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, hoy hatrany io fampitam-baovao io. Hisy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fandefasana manam-pahaizana manokana hitantsoroka manomboka any amin’ny fametrahana, ny fampiofanana ireo mpandraharaha, hatrany amin’ny fampandehanana ireo indostria madinika. Hiara-dia ho any Vienne ny roa tonta afaka fotoana fohy hihaona mivantana amin’ireo mpanosika tetik'asa matihanina (développeurs) ahafahana mampiroborobo ny indostria sy mampihodina ireo Taninketsa Indostrialy manaraka. Tsara moa ny mampahatsiahy fa ny aogositra 2022 dia nisy ilay fihetsiketsehana ivelany tamin’ny alalan’ny fanomezana amboara ho an’ny Filoha Rajoelina tany Vienne fa tompondakan’ny indostria i Madagasikara. Ka tsy efa isika ve izany no tokony hizara traikefa sy fahaiza-manao raha tena nitombina tokoa fa tsy serasera ivelany fotsiny ilay hoe : tompondakan’ny indostria ? Mby aiza izao ilay hoe Pharmalagasy hamokatra fanafody hanavotana izao tontolo izao amin’ny coronavirus ? Aiza ho aiza ilay orinasa Gasycar mpamokatra fiara ? Mby aiza ilay ozinina goavana indrindra aty Afrika mpamokatra simenitra amin’ny vidiny 14000Ar ny lasaka ? Sa ilay hoe : taninketsa indostrialy ihany no antsoina ho indostria na takotakonana amin’ireny ireo goavana nampanantenaina fa tsy tanteraka?
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap