Nanao sonia fifanarahana ara-bola ivelany 13 ny governemanta Malagasy nandritra ny taona 2025. Mitentina 879,5 tapitrisa dolara na 3675 miliara Ar eo, araka ny tatitra navoakan’ny Direction Générale du Trésor (DGT) tamin’ity volana martsa ity, notaterin'ny fampahalalam-baovao an'habakabaka iray omaly. Voasonia tao anatin’ny telovolana telo voalohan'ny 2025 avokoa ireo, ary tsy nisy fifanarahana vaovao intsony tamin’ny telovolana fahefatra noho ny fampiatoana tanteraka ny fananganana trosa vaovao. Ny tahiry trosa manontolo dia tombanana ho 7,3 miliara dolara, mitovy amin’ny 33 000 miliara ariary, tamin’ny 31 desambra 2025, izay 37% amin’ny harin-karena faobe na PIB an’i Madagasikara. Ny 85% amin’izany dia avy amin’ny mpampindram-bola vahiny, raha 15% monja no avy amin’ny tsena anatiny. Ankoatra izany, ny fanjakana dia nanao antoka fanampiny mitentina 5,4 tapitrisa dolara. 'iakatra avy amin’ny 5 524,8 tapitrisa dolara tamin’ny faran’ny 2024 ho 6 197,7 tapitrisa dolara ny trosa ivelany tamin’ny faran’ny 2025, izay mitovy amin’ny 31,3% amin’ny PIB nominal. Marihina fa ny PIB nominal dia manondro ny vokatra anatiny faobe (Produit Intérieur Brut) amin’ny sanda ara-bola tsy voahitsy amin’ny fiovaovan’ny vidim-piainana. Midika izany fa ny kajy dia atao amin’ny vidin’ny tsena amin’ny taona voafaritra, tsy misy fanitsiana amin’ny fihenan’ny sandan’ny vola na ny fiakaran’ny vidiny. Araka ny fanazavan’ny DGT, ny fiakarana dia vokatry ny famoahana vola ho an’ny tetikasa tohanan’ny Association Internationale de Développement (IDA) an’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fiovaovan’ny tahan’ny fifanakalozana vola vahiny. Manasongadina ny fitomboan’ny trosa ivelany sy ny fepetra hentitra noraisin’ny fanjakana tamin’ny telovolana farany 2025 ity tatitra ity, izay manambara ny ezaka hifehy ny lanjan’ny trosa sy ny fiantraikany eo amin’ny toekarena. Raha raisina amin'ny habetsahan'ireo trosa ivelany dia miharihary fa mbola tena miankin-doha amin'ny vola vahiny i Madagasikara i Madagasikara, hany ka tsy maintsy miompana amin'izany ny politika ara-toekarena hatreto. Tsy ny mitrosa ihany koa anefa no ratsy fa moa tena niteraka vokatra sy akony ara-toekarena ho an'ny Firenena ? Isan'ny zava-dehibe kosa na izany aza ny fiakaran'ny tahirim-bola vahiny izay eo amin'ny 3,7 miliara dolara raha ny tatitra navoakan'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Antony iray heverina fa mba nanome aina ny sandam-bolantsika izay latsaka ambanin'ny 5000Ar ny Euro iray amin'izao fotoana izao. Na izany aza, mila fanovana sy fanatsarana ny politika ara-toekarentsika: famokarana, indostria, fanondranana akora efa voahodina,... fa tsy ho Firenena mpanjifa sy fakan'ny olona akora fototra lava eto i Madagasikara.
Toky R