airtel

Toekarena

01-juin-2022

Toekarena

Tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika Vao mainka hidangana ny vidim-piainana

Sample post image

Nikaonan-doha teny amin'ny Lalam-panjakana Mahazoarivo ny resaka solika omaly talata 31 mey, ary niampita tany amin'ny Fiadidian'ny Repoblika sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena.

01-juin-2022

Mbola mafana ny adihevitra mikasika ny solika izay efa am-bolana maro ny endrika fifanenjanana eo amin'ny Fanjakana sy ny mpandraharaha ara-tsolika. Niatrika azy ireo ny Fanjakana omaly, izay nahitana ny Praiminisitra Ntsay Christian, Minisitry ny angovo Andry Ramaroson, Minisitry ny toekarena Rindra Rabarinirinarison, Tale Jeneraly mpisolo toerana ny Jirama Rivo Radanielina, ary ny Tale Jeneralin'ny Ofisim-pirenena momba ny angovo sy akoran'afo (OMH) Olivier Jean Baptiste, ary teo ihany koa ny Solontenan'ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara ara-bola. Misy ny kajy natao izay haroso ao anatin'ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra amin'ity herinandro teo. Hivoitra ao anatin'io ny pitsopitsony, ny endriky ny fiakaran'ny vidin-tsolika sy ny fiantraikany amin'ny sehatra samihafa, ary ny kitapom-bolan'ny fanjakana tafiditra amin'ny resa-tsolika. Nambara fa hifampiresahana ny fiakarana ary hisy ny fepetra hafa mifandraika amin'izany horaisina. Nolazaina ihany koa fa mbola hitohy miaraka amin'ny Filoha Rajoelina ny fifampiresahana. Mazava izany ny resaka fa dia tsy maintsy hisondrotra ny vidin-tsolika, izay efa natsipin'ny Filoha taorian'ny fiverenany avy any Etazonia. Efa nisy rahateo ny karazana fanekena nataon'ny Fanjakana tamin'ny FMI, fa tsy tokony hihoatra ny 100 miliara Ar ny fanetsenam-bidy na "compensation" atao amin'ny solika hifehezana ny vidiny. Eo ihany koa ny fametrahana lamina sy lasitra ara-pikajiana ny vidiny izay tsy tokony hifanalavitra amin’ny vidiny eny amin’ny mpaninjara.
INONA MARINA ILAY FITSINJOVANA NY MAREFO ?
Nasaina nanome antoka sy fanekena amin’ny fametrahana politika manokana mba hanalalefahana ny fiantraikan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika amin’ny vahoaka marefo ihany koa ny Fanjakana. Inona moa izany ny lasitra hamaritana ny hoe : vahoaka marefo raha toa ka efa ny 81% amin’ny Malagasy aza no efa voasokajy ho mahantra farahidiny ankehitriny ? Ambara fa azo iadian-kevitra sy hiverenana resahana hatrany ny mikasika ny fampiakarana vidin-tsolika. Mialohan’ny 01 jolay izao no efa notombatombanana hiakarany, saingy mbola alefa hodinihina amin’ny filankevitry ny minisitra moa ny andinindininy. Tsara ny mampahatsiahy fa ny volana jona 2019 no nokitihina farany ny vidin-tsolika. Vao mainka hampidangana ny vidim-piainana ny ho fiakarany. Ny fepetra mifanaraka amin’izany amin’ny fiainam-bahoaka anefa tsy tena hita taratra satria ny fampiakaran-karama ho an’ny tsy miankina, ohatra, dia tsy nihatra ho an’ny volana mey, ny didim-panjakana mitarazoka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap