Heno matetika tao anatin’ny repoblika fahatelo koa ny hoe «Ianareo tanora no hoavin’ny firenena!» ary na dia nisy fotoana aza noraisin’ny tanora tamin’izany ho vazivazy izany fomba fiteny izany dia fara fahakeliny mba tafalentika tao anatin’ny sain’izy ireo aloha ka mbola mba misy an’izao hiafiantsika mianakavy izao aty amin’ny repoblika fahaefatra aty! Ny fomba fiteny heno matetika aty amin’ny repoblika fahaefatra kosa nefa rehefa dinihina dia ny hoe «Mahazaka ilay gasy!». Misy fotoana izy io miendrika fanontaniana manao hoe «Mbola zaka ihany ve?». Ny antony tsinona dia tsy miafina amin’ny rehetra izay mbola tafajanona eto Madagasikara eto sy ny avy leo ny miaina eto dia naleony nitsaoka any an-dafy any ny fijaliana amin’ny tsy fisian’ny herinaratra sy rano. Eo koa ny olana hafa mifampiankina amin’izany dia tsy inona fa ny fahapotehan’ny karazam-pihariana maro toy ny fampiasàna tekinolojia, ny resaka fikajiana endrika amam-bika, ny fitehirizana sakafo mila vata fampangatsiahana, ny fanefena vy sy ny maro hafa. Nampirongatra tsy fandriampahalemana amin’ny andro maizina teo aloha teo ny resaka delestazy fa amin’izao na ety an-drenivohitra aza dia mahita sy mandre taraina maro eny anivon’ireo fantson-tserasera samihafa foana isika fa maraina, atoandro, hariva no manjaka izany tsy fandriampahalemana izany na eto Antananarivo renivohitra aza. Ny any ambanivolo moa izany tsy hay intsony ny azo ilazàna azy. Ny vidim-piainana etsy tsy mitsaha-misondrotra. Ny Ariary mitotongana hatrany. Ny fandraisan-karama ho an’ireo mbola mba manana asa mihemotra lava. Ny tsy fisian’asa koa mbola miteraka tsy fandriampahalemana. Ny trafika na koa tranga mamoha henatra, izany hoe, «scandale», iarahan’ny rehetra nahita izao tao anatin’izay 7 taona mahery izay fa tsy hita mazava hatrany ny tena niatombohan’ny fanadihadiana sy ny fiafarany. Na ny resaka «Panier Garni» io na «Bonbon sucette» na «écran plat» na volamena lasa vy na volamena 73,5kg na inona na inona, io indray izao ny raharaha «Triple 7». Tsy ho tanisaina intsony ny mikasika ireo trafika tamin’ny tetezamita nanomboka ny taona 2009, izay fototr’izao fitondràna izao, toy ny resaka andramena sy vy tao Soalala fa izany rehetra voatanisa izany aloha izany dia samy mahalasa saina ankehitriny hoe «mbola hisy hoavy antenaina ve eto amin’ity Madagasikara ity raha izao ankehitriny izao no zava-misy?». Mbola azo antenaina ve ireo tanora voavolavola anatin’izao rivotra politika iainana eto amin’ny firenena izao, indrindra fa hoe lasa hifaninanan’ny tanora malagasy mihitsy ankehitriny ity mitady ny mahasoa ho azy ireo any an-tanin’olona ity? Ny eto an-tanàna moa izany dia miha mahazo vahana eny amin’ny fiarahamonina eny isan’andro ny fomba fiteny isan-karazany izay tsy mijery afa-tsy ny anio sisa! Isan’izany ny hoe «samy mandeha, samy mitady!», «Ny hohanina androany tadiavina rahampitso!», «Samy maka ho azy!». Tsy mijery afa-tsy ny anio sisa!
J. Mirija
Hofoanana anatin’ny 7 andro ny saran’ny fitahirizana entana