airtel

Toekarena

08-févr-2024

VAROTRA IVELANY

Mamaly ny fenitra Eoropeana ny kalitaon’ny lavanila malagasy

Sample post image

Afaka miditra malalaka eo amin'ny tsenan’ny Vondrona Eoropeana ny lavanila malagasy.

08-févr-2024

Nisy ny fanovana ny lalàna eoropeana momba ny tahan'ny « nicotine » takiana amin'ny vokatra lavanila . Namoaka fanapahana ny Vondrona Eoropeana ny 05 Febroary lasa teo fa averina ho 0,3mg isaky kilao ny tahan'ny "nicotine" amin’ny lavanila azo raisina any Eoropa. Fanapahan-kevitra izay hampitombo ny vokatra lavanila avy aty Madagasikara afaka hiditra amin'ny tsena any Eoropa. Nahomby tanteraka, araka izany, ny dinika sy adisisika nataon'ny Fanjakana malagasy notarihin'ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny ekipany. Tsiahivina fa tamin’ny volana Septambra 2022 dia nisy fanovana io lalàna mifehy ny tahan'ny "nicotine" io ka nametra izany ho 0,02 mg isaky ny kilao. Nisy fiatraikany tamin'ny lavanila malagasy io fepetra io satria mihoatra io taha io ny ankamaroan'ny vokatra avy eto Madagasikara. Nampitaintaina ireo mpamboly sy ireo mpandraharaha mpanondrana izany satria dia hihena ny vokatra ahondrana sy ny vola vahiny hiditra. Natahorana hisy fiatraikany tamin'ny toe-karen'ny firenena ihany koa satria ny sehatry ny lavanila no anisan'ny mampidi-bola vahiny betsaka ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana.
Pati
Legende : Efa metibe amin’ny tsena Eoropeana ny vokatra lavanila eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap