airtel

Toekarena

27-mai-2022

Toekarena

VOAMAMI Sehatra findramam-bola irosoana amin’ny fihariana

Sample post image

Ankoatra ny fampianarana sy tohana ara-bola dia isany tena mampiavaka sy ahafantarana ny tetikasa tanterahin’ny « Fonds d’intervention pour le developpement » ny vondrona VOAMAMI, izay ahafahan’ireo mpikambana manao tahiry avy amin’ny vatsy ara-bola na koa mindrana vola entina

27-mai-2022

mihary, hamoranana asa, hividianana masomboly, biby fiompy na koa fitaovam-panokarana. Raha ny ao amin’ny fokontany Anday kaominina Anjampaly, distrikan’ny Tsihombe Faritra Androy manokana dia iray amin’ireo vondrona VOAMAMI misy ao an-toerana ny « Vondrona vehivavy miray », izay nijoro efa ho dimy volana ary ahitana vehivavy mpisitraka ny FIAVOTA miisa 20. Amin’ny ankapobeny dia mirindra sy mangarahara tanteraka ny fanaovan’izy ireo tahiry sy ny fampindramam-bola, izay eo amin’ny samy mpikambana. Misy ny latsakemboka 200 ariary izay ataon’ny samy mpikambanana ary arakaraky ny lohan’omby, izay vidiana 1000 Ariary no vola afaka
indramin’ny mpikambana iray.

Noelina, varotra enta-madinika no hamelomany ireo zanany 6
Isan’ireo misitraka ny tetikasa FIAVOTA i Todisoa Noelina monina ao amin’ny fokontany Anday kaominina Anjampaly, distrikan’ny Tsihombe Faritra Androy. Manam-bady ary manan-janaka enina ny tenany. Ankoatra ny tohana ara-bola izay azony dia ny varotra enta-madinika sy biby fiompy no
hamelomany ny tokantranony sy ampianarany ireo zanany. Isany nanampy azy hampivoatra ity seham-pihariana ity moa ny findramany vola tao amin’ny VOAMAMI. Mikendry ny hanamboatra foto-drafitrasa maro ny ao amin’ny tanana misy azy i Noelina ka isan’izany ny trano izay honenany.
Izy moa dia iray amin’ireo lehiben’ny vondrona VOAMAMI any amin’ny faritra Androy.

Lalaina Rav

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap