airtel

Toekarena

04-août-2022

Toekarena

Vola Malagasy Ariary Nahazo aina raha mitaha amin’ny Euro

Sample post image

Raha nisanda 4.470 Ariary ny Euro ny faraparan’ny taona 2021 dia nahazo aina ny vola Malagasy ary lasa 4260 Ariary izany ny jona 2022. Nahitana fiakarany 4,7%, araka izany, ny sandam-bola anatintsika.

04-août-2022

Mitaha amin’ny Euro moa dia hatrany amin’ny 8,2% mihitsy izany fiakarana izany raha ny fampahafantaran’ny banky foibe eto Madagasikara ny talata teo. Nitotongana kosa anefa ny volantsika raha mitaha amin’ny Dolara satria dia hatrany amin’ny 3% izany fidinana izany. Raha 3.956 Ariary ny Dolara ny desambra 2021 dia efa lasa 4.074 Ariary izany namarana ny enim-bolana voalohan’ity taona ity. Ahiana ny fidinan’izany hatramin’ny 4%. Anton’io, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny banky foibe hatrany, dia noho ny fiakaran’ny lanjan’ny Dolara mitaha amin’ny Euro. Mitentina 2.248,8 tapitrisa Dolara hatreto ny tahiry mifandraika amin’ny fanondranana niseho ny 6 volana farany. Mitentina 2005,1 tapitrisa Dolara kosa izany, herintaona mialoha an’izao raha ny tatitry ny banky foibe hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap